Anaka, isaky ny ao anatin’ny olana ianao, aza tonga dia mitady avy hatrany ireo vahaolana, fa miverena miditra ao anatinao, miverena amin’ny « tsy mahavita azy » anao, amin’ny fahakelezanao, dia hiasa ny Fitiavana, na amin’ny alalan’ireo olona manodidina anao, na amin’ny alalan’ny tolo-tsaina mazava omena anao. Ianao, tsy misy ataonao afa tsy ny misaotra ny Ray. Mianàra manaiky ho tantànin’ny Fitiavana. Tiako ianao.
Isan'andro, ataovy tsara ny fonao amin'ny hafatra avy amin'i Jesoa, fijoroana vavolombelona, vavaka ary eritreritra ara-panahy.