HEVITRA METY JERENA

HEVITRA METY JERENA

TSINDRIOEO AMIN’NY SARY MBA AHAZOANA HEVITRA IRAY

Tsindrio indray mba hamerenana azy.
Ampahafantaro ny « Hevitra » azo jerena


Ry Jesoa Tompo ô,
fantatro fa miahy ahy ianao amin’ny fiainako manontolo !
Ankehitriny anefa dia tena milany fanampianao aho, tariho làlana aho, omeo ny fahazavanao aho ;
amin-pinoana no hanindriko ny « Hevitra anio » mba hitenenanao amiko !
Misaotra amin’ny fiahinao ahy amim-pitiavana eo amin’ny fiainako !


image

R’ilay Bitikako, ny fiovan’ny fonao dia Asako fa tsy asanao. Ny ataonao dia ny mamerina Amiko ireo, ireo « ENY-NAO », sy ny iaikenao ny fahalemenao ary indrindra ny fahatokisanao ny maha-mahefa ny zavatra rehetra Ahy hatramin’izay antsipirihany indrindra amin’ny fiainanao. Tiako ny hitantana anao ho akaiky ny Foko mba handrakotra anao bebe kokoa ny Fitiavako. Manaike tiavina ianao. Tiako ianao!

image