Anaka, tohizo ny fanaikenao ho tantànana ao anatin’ny finoana. Mbola betsaka no tokony ho hitanao. Mbola tsy tena takatrao tsara hatraiza ny Fitiavan’Andriamanitra anao ! Mbola tsy tena hitanao tsara ihany koa ny Herin’Andriamanitra, ny Fitiavany sy ny Famindram-pony. Manaike ianao tiavina, manaike ianao ho fenoina.
Isan'andro, ataovy tsara ny fonao amin'ny hafatra avy amin'i Jesoa, fijoroana vavolombelona, vavaka ary eritreritra ara-panahy.