Mba hiaina amin'ny fo
Hevitra anio
Ianareo zanaka malalan’ny Ray, amin’ireny fotoana hiaonantsika ampitiavana ireny no hazoanao ireo zavatra tena sarobidy izay mitoetra any anatinao lalina any. Amin’ny firaisantsika am-po tokoa no hahatonga anao ho tonga olon’ny fitiavana mifanandrify indrindra amin’ny sitrapon’Andriamanitra… ary ny fitiavany dia afaka miampita malalaka hikasika olona hafa koa amin’ny alalanao, ny vokatr’izany dia tsy hita maso aloha amin’ny voalohany fa kosa, tonga hita maso ao aoriana kely.
Ny fatran'ny fitiavana andavanandro ho anao
Isan'andro, ataovy tsara ny fonao amin'ny hafatra avy amin'i Jesoa, fijoroana vavolombelona, vavaka ary eritreritra ara-panahy.