2A_34: Anaka, anontanio Ahy daholo, ny momba ireo vina sy faniriana, aoka ianao ho vonona mandrakariva handray ny valiny dia ho tarihana mandrakariva ianao. Mahaiza mihainao tsara mba hahare sy handray ny valiny rehefa omena anao izany. Mitoera ao anatin’ny Fiadanam-be.
Lahatsoratra
Publications
Menu
Lire Plus
Menu
Tsy manandanja ny ety ivelany
1B_37: Anaka, aza mitady ireo làlana sarotra ; raiso ny làlan’ny fahatsorana, fa eo no misy Ahy. Mianàra tsy mitsara izay mitranga ety ivelany, satria tsy manandanja ny ety ivelany. Ny Manandanja dia izay mitranga ao anaty. Ao no misy ny tena ady marina ankehitriny, ary amin’io no hanamboarako indray izay noravàn’ny fahavalo, na izay noheveriny fa ràvany.
Fiombonako am-po sy saina
1E_20: Anaka, dia fifaliana vaovao ho Ahy hatrany ny fiombonako am-po sy saina aminao. Izany fifandraisana izany dia diloilo manasitrana ny Foko maratra. Tiako ianao.
Manaiky Ahy hanokatra ny felambonin’ny fonao
3B_05: Ry voahangy keliko sarobidy, sambatra ianao manaiky Ahy hanokatra ny felambonin’ny fonao mba higagako ilay voahangy miafina ao anatinao ilay voninkazo tsara tarehy ! Mirehi-pitiavana anao ny Foko. Eny, anaka, henoy izay bitsikako mangina ao anatin’ny fonao. Tiako ianao, tiako ianao, Izaho Mpahary anao, tiako ianao.
Ny fanovana eo amin’ny maha
1F_28: Anaka, raha mba fantatrao fa tena tiako ianao, miaraka amin’ireo haratsianao, ireo fahalemenao sy ireo fetranao, dia ho ekenao ireo, ho tahaka izay ilain’ny Ray aminao amin’izao fotoana izao… Ny fanovana eo amin’ny maha olona anao dia Asan’Andriamanitra fa tsy asanao. Fantany izay tokony iainanao amin’izao fotoana izao. Tiako ianao.
Ialao ny mijery ny tenanao
3A_27: Ry bitikako, raiso ity toro-hevitra kely ity : ialao ny mijery ny tenanao. Atodio any amin’ny Ray ny fijerinao, banjino ny Fitiavany, banjino ny hatsaram-pony, banjino ny halehiben’ny Famindram-pony. Tsy ho mendrika mandrakizay an’ izany ianao, tsy ho mendrika mandrakizay izany Fanomezam-pahasoavana izany ianao. Raiso ny Fitiavany sy ny Famindram-pony satria ho Azy dia izany no sitrany.
Ilay fitaovana kely manaiky sy mety volavolaina
2B_09: Anaka, efa miha mifandray bebekokoa hatrany isika. Amin’ny fihaonantsika, ny mahomby indrindra dia ny ifandraisantsika ao anatinao lalina. Mijanóna ho ilay fitaovana kely manaiky sy mety volavolaina eo ampelan-tànan’ny Ray. Amin’ny alalan’izany fanaikena sy fahavononana izany no hahitanao ny tena hanirahana anao dia ny hamela ny Fitiavana hiampita. Avelao ho vontosan’ny Fitiavako ianao satria tena tiako ianao.
Manaike ianao ho dorako amin
1A_22: Anaka, ireo fotoana nolanianao teo anatreako sy ao anatinao lalina dia tena fotoana sarobidy indrindra, satria, amin’izany ary amin’izany irery ihany no hazoanao akaiky indrindra ny Afon’ny Fitiavako. Manaike ianao ho dorako amin’ny Fitiavako. Tiako ianao.
Ny Fitiavana no afaka manao
1B_10: R’ilay Bitikako, tohizo ny mamerina miteny Amiko ireo « ENY-NAO » amin’ny antsipirihan’ny fiainanao. Fantaro fa raha ianao irery ihany dia tsy havita na inona na inona ianao. Ny Fitiavana no afaka manao ny zavatra rehetra, ny Fitiavana no nandray anao tamin’ny toerana nisy anao : tahaka an’i Davida mpandroaka ondry izay voahosotra ho Mpanjaka. Tiako atao ho andry iankinan’ny Egliziko ianao.
Tiako ny fonao midera
1B_23: R’ilay Bitikako, tiako rehefa mitsahatra ianao mba hidera Ahy, hisaotra Ahy, hankasitraka Ahy. Tiako ny fonao midera, sady miaraka amin’izay, toy ny menaka manasitrana ny Foko maratra. Ary koa hiova ny fonao ka lasa Fitiavana bebe kokoa.
- 1
- 2
- 3
- 4
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany