Anaka, isaky ny mahatsapa ianao fa mavesatra sy sarotra entina ny fijalianao, dia avia miantsapaza eo an-trotroiko. Atolory Ahy ny fijalianao dia ho tsapanao fa maivana ny entako. Aza manana ahiahy fa efa henoko ireo vavakao sy ireo fitarainanao. Nahita sitraka teo imasoko ianao. Mirehi-pitiavana ho anao ny Foko.
Isan'andro, ataovy tsara ny fonao amin'ny hafatra avy amin'i Jesoa, fijoroana vavolombelona, vavaka ary eritreritra ara-panahy.