Anaka, tadidio fa ny fotoana tena sarobidy izay tena ilàko anao dia ilay fotoana izay iarahantsika ka itoerantsika ao anatin’ny fifandraisam-pitiavana. Amin’ny alalan’izany fifandraisana izany no hanovàna anao ary hampiasàna anao ao anatin’ny tontolo tsy hita maso, izay hanatanterahanao ny iraka voalohany indrindra ampanaovina anao. Tena tiako ianao.
Isan'andro, ataovy tsara ny fonao amin'ny hafatra avy amin'i Jesoa, fijoroana vavolombelona, vavaka ary eritreritra ara-panahy.