Hianatra

Hevitra anio


Toko 3, Hafatra 28

7 Feb 2025

Ry raozy kely malalako, raha vao mahatsapa fahoriana ianao dia tonga dia atolory Ahy ; ho hitanao fa maivana ny jiogako. Aza matahotra. Miaraka aminao mandrakariva Aho. Nahita sitraka teo imasoko ianao. Mandrotsaka onjam-pitiavana aminao sy ao anatinao Aho, raha vao raisinao ny Fitiavana. Avy amin’izany no hatonga anao ho « Fitiavana ». Tena tiako ianao.

image