Toko 1, Hafatra 140
15 Aog 2025
Anaka, sarobidy ho Ahy ianao, manandanja eo imasoko ianao. Homeko anao ny aiko na ho anao irery aza. Trotroko ianao. Fihiniko eo amin’ny Foko sy ny Fon’ny Reniko Masina ny fonao mba ho kilan’ny Afon’ny Fitiavako Afo.