Toko 1, Hafatra 140
7 Des 2025
Anaka, reko ny vavakao, ataoko vavako ny vavakao ary dia atolotro ny Ray. Raisiko ny fijalianao. Atambatro amin’ireo fijaliako mba ho fehezan-draozy atolotra ny Ray. Tsy misy tokony ho atahoranao, efa mitopy eo aminao ny Masony. Tiako ianao.