Hianatra

Hevitra anio


Toko 1, Hafatra 127

8 Mar 2026

Anaka, aza manandrana milanja samirery eo amin’ireo sorokao izay tokony ho zakaintsika miaraka. Na hitady vahaolana samirery amin’izay tokony ho vahantsika miaraka ; na indrindra hanao samirery izay tokony hataontsika miaraka. Miantsoa mandrakariva Ahy. Tena akaikinao sy ao anatinao mandrakariva Aho.

image