Hianatra

Hevitra anio


Toko 1, Hafatra 52

28 Okt 2024

R’ilay Bitikako, miverena mankaty Amiko, atodio bebekokoa aty Amiko ny fijerinao. Mora variana amin’ny tebitebin’ireo asanao ianao. Somebiseby amin’ny asanao ianao ka ataonao ho eo aminao daholo no ipetrahan’ny zava-drehetra, nefa eo Amiko izay Andriamanitrao daholo no ipetrahan’ny zavatra rehetra. Karakaraiko hatramin’ny antsipirihany indrindra; efa noraisiko an-tànana ianao ; nahita sitraka teo imasoko ianao ; ianao ilay nofinidiko, ry Bitikako malalako.

image