1D_12: R’ilay Bitikako, avia miantsampy eo an-tsandriko. Apetrao eo amin’ny Foko ny fonao… Raiso ireo tondram-pahasoavana sy Fitiavana izay atosaky ny Ray ao aminao amin’izao fotoana izao ! Ekeo tanteraka ireny ; ao no hahitanao fiarovana izay tadiavinao.
Lahatsoratra
Publications
Menu
Lire Plus
Menu
Mandrosoa ao anatin’ny finoana madio
1D_14: Anaka, mandrosoa ao anatin’ny finoana madio, aza mitady hahatakatra izay hitondrako anao. Ho Anao, zavatra iray ihany no manandanja indrindra : ny fanaikenao hotantànana, ny fanaikenao ho fehezin’ny Fitiavako. Mivonona tsara mihaino ireo olona apetrako eny amin’ny làlanao eny sy mihaino ireo tolon-tsaina avy aty Amiko… Tena tiako ianao! Mirehi-pitiavana ho anao ny Foko.
Atolory Ahy ny enta-mavesatrao
2A_11: Ry zanaky ny Foko, atolory Ahy ny enta-mavesatrao, vizaka ianao milanja azy. Avelao ho lanjaiko eo amin’ny soroko dia hatolotro ny Ray. Ho lasa olona afaka ianao, ny Fitiavana no hatonga anao ho olona afaka. Sambatra ianao manaiky ho tantànana eo amin’ny làlan’ny fahafahana ary dia ho tonga Fitiavana. Tiako be ianao.
Mora tohana anao loatra
1E_35: Anaka, avia manakaiky Ahy, apetraho ihany ao Ampoko ireo eritreritrao, ireo vinanao, ireo hevitrao ary ireo manahirana anao. Fantatrao tsara fa raha irery ianao dia tsy ho afaka hisafidy ilay làlana tsara ianao, nohon’ny hakelinao loatra, ny fahosanao loatra, ny fahalemenao loatra ary ny maha mora tohana anao loatra. Manaike tarihako ianao !
Miombòna ianao amin’ny Ray
2A_37: Anaka, miombòna ianao amin’ny Ray ao amin’ireo eritreritrao, ireo tENY-NAO sy ireo ataonao. Ny Ray, no Loharano tsy mety ritran’ny Fitiavana, avy Aminy no miainga ny zavatra rehetra ary miverina any Aminy ny zavatra rehetra. Rehefa manàiky ny olona iray fa izany no izy ho azy sy ireo manodidina azy dia miditra ao amin’ny planin’ny Fitiavan’ny Ray izy ; dia ho voadio tanteraka izy, ary fitaovana eo ampelan-tànan’ny Ray izy.
Jereo Aho miasa
1A_27: Anaka, jereo Aho miasa. Raiso tsara izay avelako hitranga aminao ho an’ny fanadiovako anao. Mitoera ao an’efitranonao anaty, tahaka ny angatahan’ny Reniko Tena Masina ; aoka ianao ho tonga olon’ny fivavahana, olon’ny fiderana, olon’ny fankasitrahana ary indrindra olon’ny Fitiavana. R’ilay Bitikako, tiako ianao.
Aza mandany andro intsony
3A_11: Ry zanaka malàlan’ny Ray, avia miantoraka ety an-Tsandriko. Aza mandany andro intsony mibanjina na ny lasanao na ny tenanao. Atodiho aty Amiko izay Andriamanitrao ny fijerinao. Banjino ny Fitiavako, banjino ny Famindrampoko. Tsy ho mendrika an’ireo mandrakizay ianao, tsy ho mendrika ireny fahasoavana ireny ianao ; fa raiso ireny ao anatin’ny fonao, satria izany no sitrapon’ny Ray.
Avia miantsapaza ety an-trotroiko
3A_28: Ry zanaka malalan’ny Foko, avia miantsapaza ety an-trotroiko. Hahita fiasdanam-po, hafaliana sy Fitiavana ianao amin’izany. Rehefa omenao Ahy ny enta-mavesatrao dia ho hitanao fa maivana ny jiogako. Raha malaky mametraka ny fitokianao Amiko izay Andriamanitrao ianao dia ho aingana ny fiovana ao aminao ary hahazo ny fitiavan’ny Ray ianao.
Mihoatra ny morona ny Fitiavan’ny Foko
1B_34: Anaka, mihoatra ny morona ny Fitiavan’ny Foko ho an’ny fitambaran’ny olona rehetra eto an-tany. Ny zavatra ilaiko mba hipoahan’ny Fitiavako ao anatin’ny fon’ny tsirairay, dia ny hamelàna Ahy hiasa ao amin’izy ireo.
Ny fanoloranao ireo tranga rehetra izay manelingelina anao
1E_01: Anaka, ny fanoloranao ireo tranga rehetra izay manelingelina anao, na manakorontana anao mihitsy, anie hitondra fahasoavana ho an’ireo fo izay misy ratra vokatr’ireo fifandirana avy amin’ny tontolon’ny fahandraharana sy avy amin’ny hafa. Arak’izany, enga anie ireo fo maratra ho afaka misokatra handray ny Fitiavana izay harotsaky ny Ray ao amin’izy ireo.
- Go to the previous page
- 1
- …
- 6
- 7
- 8
- 9
- 10
- 11
- 12
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany