1D_30: Anaka, ny miasa ao anatin’ny finoana, dia ny manaiky manao ilay asa na dia mbola tsy fantatrao aza ny mety ho vokatr’ilay asa. Raha ambarako anao dieny mialoha ireo vokany, dia manjary tsy mila handroso ao anatin’ny finoana madio intsony ianao, toy izay iriko ho anao, amin’izao fotoana izao. Fenoiko ny Fitiavako ianao. Tiako ianao.
Lahatsoratra
Publications
Menu
Lire Plus
Menu
Tiako ny tonga mamonjy anao
1C_09: Ry mahantra keliko, tiako ny tonga mamonjy anao, tahaka ny fitiavanao mandeha mamonjy ny iray amin’ireo zafikelinao, mba handray azy eo an-tsandrinao, mba hamihina azy eo an-tratranao sy mba itenenao azy hoe : aza matahotra, tia anao i Dadabe/ Nenibe. Eo Aho ary miaro anao.
Ampiasaina ho an’ny fonao
2B_23: Ry Bitikako, ny lohanao, ny fisainanao ary ireo fahaizanao dia tokony ampiasaina ho an’ny fonao fa tsy ny mifanohitra amin’izany. Ny itoeranao eo amin’ny fonao no afahanao maheno, mahatakatra, ary mahazo ny Fitiavana izay tiako hatondraka ao aminao amin’izao fotoana izao.
Miaike ny fahalemenao
1F_12: Anaka, miaike ny fahalemenao ary manaike ianao tiavina amin’ny fanoloronao ireo « eny ». Raiso ny tondram-pitiavana izay arotsako ao anatin’ny fonao, amin’izao fotoana izao ! Tiako ianao.
3A_23: Anaka, avia manatòna akaikikaiky eo amin’ny Foko mba hatsapanao bebekokoa ny Fitiavako. Mila anao Aho ; sarobidy ho Ahy ianao. Ekeo ny Fitiavako dia ho hitanao fa izay noheverinao fa manandanja dia tsy misy dikany. Mirehi-pitiavana ho anao Aho, tena tiako ianao.
Te hikikiaka aminao ny Fitiavako Aho
1A_39: R’ilay Bitikako, te hikikiaka aminao ny Fitiavako Aho. Ekeo fa tiako ianao. Tsy fantatrao ny halehibeazany, ny aavony, ny sakany ary ny alalin’ny Fitiavako. Ny Fitiavako ny tsirairay aminareo Zanako eto an-tany dia tsy manam-petra. Mananaraka azy tsirairay Aho mba hilazako sy mba hatsapany ny Fitiavako.
Ny fon’ireo fianakavianao
1B_29: Anaka, rehefa miditra ao anatin’ny fonao Aho dia avy hatrany koa dia tafiditra ao anatin’ny fon’ireo fianakavianao. Aza adino fa ireo fianakavianao dia Ahy koa, ary manana fahasoavana maro koa Aho ho an’izy ireo tsirairay avy.
Rehefa mipetraka eo anatrehako
2A_18: Ry bitikako, raha mba fantatrao manko izay miseho ao anatinao rehefa mipetraka eo anatrehako ianao, ka midina ao anatinao lalina ianao! Raha mba fantatrao manko izay asako ao anatinao, sy ny fomba ampiasako anao hikasika fo maro ao anatin’ny tontolo tsy hita maso… dia ho hitanao fa ireny fotoana hafa kely ireny dia harena sarobidy tokoa!
Amin’ireny fotoana hiaonantsika
3B_17: Ianareo zanaka malalan’ny Ray, amin’ireny fotoana hiaonantsika ampitiavana ireny no hazoanao ireo zavatra tena sarobidy izay mitoetra any anatinao lalina any. Amin’ny firaisantsika am-po tokoa no hahatonga anao ho tonga olon’ny fitiavana mifanandrify indrindra amin’ny sitrapon’Andriamanitra… ary ny fitiavany dia afaka miampita malalaka hikasika olona hafa koa amin’ny alalanao, ny vokatr’izany dia tsy hita maso aloha amin’ny voalohany fa kosa, tonga hita maso ao aoriana kely.
Ataovy izay mahabitika anao
1E_10: Anaka, ataovy izay mahabitika anao mba handraisanao tsara ny Fitiavana izay tiako harotsaka ao aminao. Isaky ny mandray ny Fitiavako ianao, amin’ny alalan’ny fanetre-tena, dia nisy fiovana ao aminao ka amin’izany no hatonga anao « Fitiavana », izany no antony nahariana anao.
- Go to the previous page
- 1
- …
- 5
- 6
- 7
- 8
- 9
- 10
- 11
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany