2B_38: Ry Bitikako, ireny fahasarotana tsirairay ireny izay mitranga eny amin’ny làlanao eny ireny dia manosika anao handroso lalindalina kokoa ao anatinao, mba hisakafoanao bebe kokoa na hisotroanao amin’ny Loharanon’ny Fitiavana izay napetraky ny Ray ao anatinao lalina. Sambatra ianao mahatakatra izany harena izany !
Lahatsoratra
Publications
Menu
Lire Plus
Menu
Ho anao izay nofidiana talohan’ny
3A_10: Ry zanaka malalan’ny Ray, ho anao izay nofidiana talohan’ny nahariana anao mba iaina izay fiainanao hiatomboka androany dia androany, dia hangatahana ianao hanome sy hamerina hanome ny « ENY-NAO » feno sy tsy misy fepetra amin’ny Sitrapon’ny Ray, mba ho tanteraka ao aminao ny Planiny.
Tsy fantatrao aza hoe mankaiza ny itondrana anao
2A_25: Ry bitikako, Tokony handroso ao anatin’ny finoana madio mandrakariva ianao na dia tsy fantatrao aza hoe mankaiza ny itondrana anao. Ny làlana izay nandalovantsika niaraka dia tsy manam-paharoa, tahaka anao tsy manan-tsahala. Dia ny nangatahana taminao koa dia tsy manam-paharoa.
Ao anatin’izany fandraisana sy fanomezana izany
2A_30: Ry Bitikako, raha mandray betsaka hatrany ny Fitiavana avy amin’ny Ray ianao, dia miha tonga Fitiavana ianao. Ary ny hanomezanao betsaka no handraisanao betsaka… vokatr’izany, dia ho afaka hanome bebekokoa ianao. Ny fidiranao ao anatin’izany fandraisana sy fanomezana izany, miaraka amin’ny fiderana an’ny Ray, no afahanao miditra bebekokoa hatrany ao anatin’ny fifaliana sy ny Fitiavana. Tiako loatra ianao.
Dia ny fanadiovana ny fo rehetra
3B_07: Anaka, tsy misy afatsy làlana tokana no hanadiovana ny tany: dia ny fanadiovana ny fo rehetra, ary izany dia hatomboka amin’ny fonao. Raha diovina ny fonao dia tsy maintsy mandalo amin’ny Afon’ny Fitiavako sy ny Afon’ny fijaliana. Raha tiana ny hahazoana vokatra aingana amin’io Afo io dia tsy maintsy manaiky handray manontolo an’io Afo io ianao. Misaotra anao manaiky handray ireo Afo rehetra ireo izay mitondra anao ho amin’ny hafenoan’ny Fitiavana.
Banjino ahoana no nitantànako
1F_18: Anaka, banjino ahoana no nitantànako sy nitondrako anao hatramin’izay… Rehefa mijery tsara izay vitako tamin’ny lasa ianao, dia ho afaka mandinika bebe kokoa izay tanterahako amin’izao fotoana izao, ary ho afaka mametraka ny fahatokisanao bebe kokoa Amiko ianao amin’ny ho avy. Afaka manolo-tena Amiko izany ianao. Tiako ianao.
Mba hahomby tsara ny asa nampanaovina anao
3A_17: Anaka, mba hahomby tsara ny asa nampanaovina anao, dia tokony hanaiky handà ny tenanao ianao, handà ireo vinanao, ny fomba fihevitrao, ny fiainanao sy fihetsikao. Io fandavan-tena io dia tsy maintsy arahana fijaliana, fa ny fomba fandraisanao ireny fijaliana ireny no hamaritra ny fanovana aingana irian’ny Ray ho tanterahana.
Avia mifitsaka eto an-tsandriko
1B_17: R’ilay Bitikako, avia mifitsaka eto an-tsandriko ianao ; eo ary eo ihany no ahafahanao mahita fiadanana, ny Fiadanako! Aza matahotra ; na inona na inona asanao, tsy ho avelako amin’izao ianao. Tantanako ny dianao. Azavaiko ny sainao. Arovako ianao.
Ireo vavaka fanelanelànanao
1B_33: R’ilay Bitikako, ireo « Eny » izay atolotrao Ahy sy ireo vavaka fanelanelànanao, indrindra ireo vavaka izay ampandalovina amin’i Maria, Reniko tena Masina dia manandanja be tsy araka ny fihevitrao. Raha lehibe ny finoanao rehefa mivavaka Amiko ianao, dia ho afaka manatanteraka bebekokoa Aho. Angataho Amiko ny hampitomboiko ny finoanao !
Miasa ao anatin’ny finoana
1D_30: Anaka, ny miasa ao anatin’ny finoana, dia ny manaiky manao ilay asa na dia mbola tsy fantatrao aza ny mety ho vokatr’ilay asa. Raha ambarako anao dieny mialoha ireo vokany, dia manjary tsy mila handroso ao anatin’ny finoana madio intsony ianao, toy izay iriko ho anao, amin’izao fotoana izao. Fenoiko ny Fitiavako ianao. Tiako ianao.
- Go to the previous page
- 1
- …
- 4
- 5
- 6
- 7
- 8
- 9
- 10
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany