3B_01: Anaka, raha te halala hoe manao ahoana no tokony ho fitondran-tenanao manoloana ny fijaliana, dia banjino ny fitondran-tenako: moa ve nihemotra Aho? Moa ve niezaka nampihena azy Aho ? na niezaka nanova ny fihetsiky ny hafa ? noraisiko ny fijaliana dia niainako tanteraka, mba ahafako manantanteraka antsakany sy andavany ny iraka nankinina Tamiko irery. Amin’izany ohatra izany no tokony alainao tahaka mba iainanao tsara ny irakao. Manaike ho tantànana amin’ny fidirana ao anatin’izany tontolo vaovao izany. Tiako ianao.
Lahatsoratra
Publications
Menu
Lire Plus
Menu
Angataho io Fahasoavana ho bitika io
1B_20: Anaka, ataivy izay maha bitika anao, angataho io Fahasoavana ho bitika io. Ireo bitika dia tena akaiky ny Foko. Hofenoiko izy ireo. Hofihiniko eo amin’ny Foko izy ireo. Rehefa mifandray amin’ny Foko ny fony dia hiova ny fon’izy ireo.
Aoka hidera, hankasitraka mandrakariva
2B_01: Anaka, aoka hidera, hankasitraka mandrakariva mba hitoetra bebekokoa hatrany ao anatin’ny firavoravoana, na dia mandia ireo fahoriana mafy indindra aza. Ny fandraisanao tsy tapaka ny Fitiavana midina avy any an-danitra no mahatonga anao ho « Fitiavana ». Sokafy hisokatra bebe kokoa ny fonao sy ny sandrinao mba handray azy bebe kokoa, satria tena tiana tokoa ianao. Eny tiako ianao. Eny, ry Bitikako, tiako ianao.
Ho anao fa tsy ny manodidina ivelanao
3B_28: Anaka, ny fitiavan’ny Ray voarainao tsara no afahanao miaina ao antin’ny hafaliana be na dia ao anatin’ny fahoriana maro aza ianao. Ny ao anatinao ihany no mitondra fahasambarana ho anao fa tsy ny manodidina ivelanao. Ny fisokafanao amin’ny Fitiavako no hatsapanao bebekokoa hatrany io harena io.
Afahan’ny fontsika mihaona
1A_10: Avia eto an-tsandriko Anaka! Tiako ho fihinina mafy eto amin’ny Foko ianao mba afahan’ny Foko miditra ao am-ponao. Ao anatin’ny tenanao lalina tokoa no afahan’ny fontsika mihaona.
Tsy ho leo mandrakizay
3B_29: Ry bitikako, tsy ho leo mandrakizay Aho mandray ireo fangatahana maro indrindra rehefa tsapako ao anatin’ny fo ny faniriana hanantateraka ny Sitrapoko sy ny Sitrapon’ny Ray. Tiako ianao.
Amin’ny fonao no tiako resahana
3A_06: Ry zazakely, amin’ny fonao no tiako resahana : manaiky ve ianao hanome Ahy ny « ENY-NAO » feno tsy misy fepetra ? Manaiky ve ianao hamoy ny fahafinaretanao, sy ny fiadanam-piainanao mba hanatanteraka ny sitrapoko ? Mila anao Aho ; sarobidy ho Ahy ianao. Avelao Aho hiteny aminao fa mirehi-pitiavana ho anao ny Foko. Tena tiako loatra ianao.
Amin’ny alalan’ny Fitiavana izay anananao ho an’ny hafa
2B_06: Ry Bitikako, nolazaiko tamin’ireo Apôsitoliko fa ny fifankatiavana misy amin’izy ireo no hafantarana fa Mpianatro izy ireo. Dia mbola amin’ny alalan’izany famantarana izany ankehitriny no hafantarana fa voafidiko ianareo. Dia mbola amin’ny alalan’ny Fitiavana izay anananao ho an’ny hafa no hanamarinanao, na eny na tsia, fa olona feno Fitiavana ianao.
Tahaka ny zanak’ondry
1E_08: Anaka, fantatry ny Ray izay ilainao amin’ny fiainana mba afahanao manao ilay dingana lehibe izay mitondra anao amin’ny hafenoin’ny Fitiavana. Manaike ianao ho tarihina tahaka ny zanak’ondry. Ho hitanao avokoa ireo izay irian’ny fonao. Tiako ianao.
Fantatro ny fanirianao
1A_01: Anaka, aza matahotra, fantatro tsara ny fahalemenao, fantatro koa ny fanirianao tsy hamadika Ahy rehefa misy ny fitsapàna. Manampy anao lalandava ny famindrampoko ary eo anilanao isan’andro Aho na dia tsy hitanao aza, na dia tsy renao aza ny fisiko, eo anilanao foana Aho. Ny fitiavako anao no manohana anao.
- Go to the previous page
- 1
- 2
- 3
- 4
- 5
- 6
- 7
- 8
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany