1E_04: Anaka, tiako ny mahita anao tsy manohitra fa mandray ireo fotoam-pijalianao mba hiainanao azy ireny sy hanoloranao azy amin’ny Ray. Atodio mandrakariva any amin’ny Ray ny fijerinao. Banjino ny Fitiavany, ny Hatsaram-panahiny, ny Famindram-pony, ny Heriny, ny Fanajany, ny asany ao antinao…
Lahatsoratra
Publications
Menu
Lire Plus
Menu
Ireo « ENY » atolotrao tsy misy fetrany
3B_15: Anaka, ireo « ENY » atolotrao tsy misy fetrany dia mandrava ny fefy sy ny sakana hidiranao amin’ny seraseram-pitiavako. Manjavona koa ny fefy hafa rehefa manaiky ny fahalemenao, ny fahosanao sy ny fahakelezanao ianao. Ary ny fanekenao ny Fitiavako dia hampanjavona fefy hafa sy hatonga anao hitoeran’ny Fitiavako.
Ilaina ireo fijalianao
2A_31: Ry Bitikako, ilaina ireo fijalianao mba hampitondra vokatra ny asa nanirahana anao. Tiako tokoa ianao.
Ho tsapanao
2A_06: Anaka, aoka ho tsapanao fa ny Fijaliako nandritran’ny fialako aina tao amin’ny zaridainan’oliva no nampamokatra ny Iraka nanirahana Ahy sy ny Fahafatesako. Raha tsy maintsy nomasahana tamin’ny fijaliako ny iraka nankininina tamiko, koa tsy rariny ve raha ny fijalianao dia tonga nampamokatra ny asa nanirahana anao ?
Ireo fahasahirananao rehetra sy ireo fijalianao
3B_06: Ry bitikako, ireo fahasahirananao rehetra sy ireo fijalianao rehetra dia napetrako eo amin’ny làlanao mba hitondra anao lalindalina kokoa ao anatin’ny Fitiavana. Miparitaka amin’ny heriny rehetra aoanatin’ny olona voadio ny Fitiavana. Ny fanadiovana dia arahana faharavoravoana be mandrakariva, satria ny fanadiovana dia mampanakaiky anao an’ilay Mpahary anao sy Andriamanitrao. Fa rehefa tena akaiky Azy ianao dia tena hahazo ny fiadanam-pony, ny fifaliany ary ny Fitiavany.
Makà fotoana tsara manaiky
1A_21: Anaka, makà fotoana tsara manaiky ny Fitiavako anao, mandray ny Fitiavako, tahaka ny kitay, izay avela haka fotoana tsara ao anaty afo, mba hirehitra, ka hanome ny afanany. Torak’izany koa, tokony hamela ny Fitiavako handrehitra anao tsara ianao alohan’ny hizara azy amin’ny hafa.
Manao ahoana no tokony ho fitondran-tenanao manoloana ny fijaliana
3B_01: Anaka, raha te halala hoe manao ahoana no tokony ho fitondran-tenanao manoloana ny fijaliana, dia banjino ny fitondran-tenako: moa ve nihemotra Aho? Moa ve niezaka nampihena azy Aho ? na niezaka nanova ny fihetsiky ny hafa ? noraisiko ny fijaliana dia niainako tanteraka, mba ahafako manantanteraka antsakany sy andavany ny iraka nankinina Tamiko irery. Amin’izany ohatra izany no tokony alainao tahaka mba iainanao tsara ny irakao. Manaike ho tantànana amin’ny fidirana ao anatin’izany tontolo vaovao izany. Tiako ianao.
Angataho io Fahasoavana ho bitika io
1B_20: Anaka, ataivy izay maha bitika anao, angataho io Fahasoavana ho bitika io. Ireo bitika dia tena akaiky ny Foko. Hofenoiko izy ireo. Hofihiniko eo amin’ny Foko izy ireo. Rehefa mifandray amin’ny Foko ny fony dia hiova ny fon’izy ireo.
Aoka hidera, hankasitraka mandrakariva
2B_01: Anaka, aoka hidera, hankasitraka mandrakariva mba hitoetra bebekokoa hatrany ao anatin’ny firavoravoana, na dia mandia ireo fahoriana mafy indindra aza. Ny fandraisanao tsy tapaka ny Fitiavana midina avy any an-danitra no mahatonga anao ho « Fitiavana ». Sokafy hisokatra bebe kokoa ny fonao sy ny sandrinao mba handray azy bebe kokoa, satria tena tiana tokoa ianao. Eny tiako ianao. Eny, ry Bitikako, tiako ianao.
Ho anao fa tsy ny manodidina ivelanao
3B_28: Anaka, ny fitiavan’ny Ray voarainao tsara no afahanao miaina ao antin’ny hafaliana be na dia ao anatin’ny fahoriana maro aza ianao. Ny ao anatinao ihany no mitondra fahasambarana ho anao fa tsy ny manodidina ivelanao. Ny fisokafanao amin’ny Fitiavako no hatsapanao bebekokoa hatrany io harena io.
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany