1B_01: R’ilay Bitikako, mila anao aho, mila maka aina ao anatinao Aho ka onina marina ao. Mitoera eo anatrehako mba handraisanao ireo tondram-pitiavana izay atosako ao anatinao, ary miaraka amin’izany koa, atosako ao amin’ireo fianakavianao. Manaikè tiavina. Tiako ianao.
Lahatsoratra
Publications
Menu
Lire Plus
Menu
Tsy misy tokony hatahoranao
3B_02: Ry bitikako, tsy misy tokony hatahoranao, Andriamanitra Fitiavana Aho ! Izay tena tsara indrindra no iriko ho anao. Mangataha Amiko ny hanapahako izay rehetra mampifikitra anao amin’ny zavatr’izao tontolo izao, amin’ny fomba fijerinao, amin’ny fandraisanao ny tranga rehetra sy amin’ny fiainanao an’izany. Fa ho tanterahiko ny fangatahanao.
Avia maka aina eto amin’ny Foko
1C_25: Anaka, avia maka aina eto amin’ny Foko, atolory Ahy ny enta-mavesatrao dia hohitanao fa maivana ny Jiogako ! Raha avelanao dia tapahiko ireo fatorana, tsirairay, mba hatonga anao afaka tanteraka ! Ny tena fahafahana marina dia mitoetra ao anatin’ny fonao. Ny fonao dia tiako ho afaka, satria tiako ho Ahy irery tanteraka.
Lasa mifandray am-pitiavana bebekokoa isika
3A_12: Anaka, lasa mifandray am-pitiavana bebekokoa isika, dia io fifandraisam-pitiavana io no hanatanteraka ny fiovana ao anatinao izay hitondra ho anao Fiadanana, Fifaliana, Fitoniana ary Fitiavana. Io fifandraisam-pitiavana io dia iriko mandrakariva hitombo, tsy hiova ary hatraiza hatraiza… miaraka amin’ny olona tsirairay miaina eto ambony tany. Amin’ny alalan’io fifandraisam-pitiavana io no hanavaozako ny Egliziko sy ny Fiaraha-monina. Amin’ny alalan’io fifandraisam-pitiavana io, dia ho lavo ny Fahavalo amin’ny fotoana izay heveriny fa handresy iny izy.
Ny faniriako dia ny fanekenao fa bitika ianao
3A_35: Anaka, tokony ho tadidinao fa ny faniriako dia ny fanekenao fa bitika ianao, ary ho mora manaiky sy ho azo polesina mba hanatanteraka ny Sitrapon’ny Ray ; ary ho mailaka handray ny tondram-pitiavana izay tian’ny Ray arotsaka aminao amin’izao fotoana izao, ary mihabetsaka fa indrindra amin’ny fotoana fandraisana ny Eokaristia .
Ireo zava-manahirana
1B_16: Anaka, mihazakazaka manatona anao Aho mba hanampy anao. Raisiko eo an-tsandriko ianao ; maneke ianao ny hiala sasatra eo amin’ny Foko. Avereno lazaina amiko ny Fitiavanao ! Ny ilainao alohan’ny zavatra rehetra izao, dia ny hatsapanao fa tiana ianao: Izaho no loharanon’ny Fitiavana. Satria tiako ianao, dia esoriko eo aminao ny vesatr’ireo zava-manahirana anao. Nataonao izay azonao natao, avelao Aho hiasa eo amin’ny hafa. Matokia Ahy ianao.
Tahaka ny masoandro sy ny orana
1F_37: Anaka, tahaka ny masoandro sy ny orana izay mampitombo ny voninkazo, ny afo sy ny oran’ny Fitiavako hanokatra ny fonao mba hatonga azy hamirapiratry ny Fitiavako. Tiako ianao.
Hamirapiratra Fahamasinana ianao
1A_19: Anaka, aoka hamirapiratra Fahamasinana ianao ary rehefa eo anatrehanao ny olona, dia hiova izy ireo, tsy vokatr’izay ho lazainao akory, fa noho ny tenanao fotsiny. Ekenao ve no ho fitaovana toy izany ?
Izaho izay loharanon’iza
1A_30: Anaka, ho an’ny voninkazo, na misy rivotra, na misy orana na masoandro, ny zava-dehibe dia ny hifikirany tsara amin’ny tahony ; ianao, io voninkazo io izay miaina fotoam-pifaliana, fotoam-pahoriana, fotoan-tsarotra. Ny zava-dehibe dia ny mba hampiray anao Amiko tsara, Izaho izay loharanon’izay ilainao rehetra mba handraisanao sy hanatanterahanao ny iraka izay nankiniko taminao.
Ilay Fitiavana ao anatinao
1F_32: Anaka, ilay Fitiavana ao anatinao, izay tsy hitanao maso, izay tsy tsapanao foana dia tena miasa tsara tokoa. Hanova tanteraka ny tenanao izy, hanadio azy, mba hatonganao zana-tsipika tsy manan-tsahala, izay afaka hanatrobaka ireo izay tena mafy fo. Miaraka aminao dia te hisaotra an’i Ray Aho satria tonga « Fitiavana » ianao.
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany