2A_15: Ry bitikako, avia mifitsaka eto an-tsandriko ianao. Izaho no fiarovanao, ekeo ireo fihetseham-po manambara tahotra izay ao anatinao amin’izao fotoana izao; ilainao ireny mba hijanonanao ao anatin’ny fanetre-tena sy ny fahatokisana tanteraka fa eo ampelan-tànako ianao.
Lahatsoratra
Publications
Menu
Lire Plus
Menu
Ny fihetsikao manoloana tranga
2B_10: Anaka, ny fihetsikao manoloana tranga mahafaly na mampalahelo iray no afahanao mahafantatra raha olon’ny finoana ianao, na olon’izao tontolo izao. Raha tsikaritrao fa ao anatin’ny finoana ny fihetsikao, dia tokony hankasitraka an’ny Ray ianao, amin’ny fiderana sy ny fisaorana Azy amin’izany tombotsoa izay ataony aminao izany mba hatsapanao ny asany amin’ny alalanao.
Efa mitodika any aminao ny masoko
1F_06: Anaka, tsy misy tokony hatahoranao. Efa mitodika any aminao ny masoko. Manaike ianao ho tiavina ; ao amin’ny fahakelezanao mandrakariva sy eo amin’ny fonao no afahanao mihaona Amiko… Raha avelanao, dia doroiko amin’ny Afon’ny Foko ny fonao. Tiako ianao.
Mitsofoa ao anatinao lalina
1A_34: Anaka, aza manahy, nahita sitraka teo imasoko ianao. Miaraka aminao mandrakariva Aho. Raha te hampifaly bebekokoa Ahy ianao dia aoka ianao ho lasa miha bitika, ary mitsofoa ao anatinao lalina: ao no misy Ahy, ao koa no hafantaranao ny fahosanao sy ireo fetranao. Ao koa no mitoetra ny fanetre-tena sy ireo toetra tsara izay napetrako ao aminao tamin’ny Bateminao.
Avelao ho tanteraky ny Fifandraisako
2B_05: Anaka, avelao ho tanteraky ny Fifandraisako ampitiavana tsy mijanonona mitombo ianao. Io fifandraisana Amiko io no fototry ny fihovana izay miasa ao anatinao. Ny fanampiny, dia ny fifandraisanao amin’ny olon-kafa izay tokony iainana mandrakariva ao anatin’io fiainam-pitiavana io.
Ataoko ho fonenako ianao
3A_03: Ry Bitikako, nomena fahefana ianao hatsapa ny fisiako ao aminao na dia eny ampanaovina ireo raharahanao aza ianao. Ataoko ho fonenako ianao ! Mirehi-pitiavana ho anao Aho ! Sokafy fotsiny ny tànanao handray Azy. Tena eo Aho, ao anatinao.
Mavesatra sy sarotra entina ny fijalianao
3A_26: Anaka, isaky ny mahatsapa ianao fa mavesatra sy sarotra entina ny fijalianao, dia avia miantsapaza eo an-trotroiko. Atolory Ahy ny fijalianao dia ho tsapanao fa maivana ny entako. Aza manana ahiahy fa efa henoko ireo vavakao sy ireo fitarainanao. Nahita sitraka teo imasoko ianao. Mirehi-pitiavana ho anao ny Foko.
Hetaheta te hiombona am-po aminao
1C_16: R’ilay Bitikako, avia eto akaikiko. Tiako ny fonao miankina amin’ny Foko mba hanamaivana ny hetahetako, hetaheta te hiombona am-po aminao, miaraka amin’ireo olon-tiako rehetra eto ambony tany. Mba tiako ny hahita an’izy ireo hiantsampy ety an-tsandriko. Raiso ny Fitiavako, ny Famindram-poko, ny Famelan-keloko, satria izany no tian’ny Ray.
Hiraikitra amin’ny Foko
1B_28: R’ilay Bitikako, avia mifitsaka eto an-tsandriko! Aoka anie ny fonao hiraikitra amin’ny Foko, mba hiaraka mitempo amin’ny Foko ny fitempon’ny fonao! Dia hianatra mitia amin’ilay Fitiavana izay itiavan’ny Foko!
Ry zanaky ny Foko
3B_33: Ry zanaky ny Foko, ianao izay novolavolaiko tamim-pitiavana tokoa, maniry ny handray anao eto an-tsandriko Aho ary hamihana ny fonao eo amin’ny Foko mba hatsapanao ny Fitiavako. Tsy manana afa tsy fitiavana ho anao Aho ; sokafy midanadana kokoa ny fonao. Raha sarotra ho anao ny manokatra azy, omeo alàlana Aho ary dia avy amin’ilay “Eny” tanteraka sy tsy misy fepetra, dia ho tanterahako izany.
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany