3A_04: Anaka, amin’ny alalan’ny « eny » izay omenao Ahy tsy tapaka, dia afaka mifandray amin’ireo Fanahy maro eran-tany, amin’ny fotoana rehetra Aho. Sarobidy Amiko, izay Andriamanitrao, ianao. Mirehi-pitiavana ho anao ny Foko. Ahy ianao, ary anao Aho. Tiako loatra ianao.
Lahatsoratra
Publications
Menu
Lire Plus
Menu
Raha vao mahatsapa fahoriana ianao dia tonga dia atolory Ahy
3A_13: Ry raozy kely malalako, raha vao mahatsapa fahoriana ianao dia tonga dia atolory Ahy ; ho hitanao fa maivana ny jiogako. Aza matahotra. Miaraka aminao mandrakariva Aho. Nahita sitraka teo imasoko ianao. Mandrotsaka onjam-pitiavana aminao sy ao anatinao Aho, raha vao raisinao ny Fitiavana. Avy amin’izany no hatonga anao ho « Fitiavana ». Tena tiako ianao.
Mandray ny fijalianao
3B_25: Ry zanaka kely, Izaho Jesoa no tonga mandray ny fijalianao rehetra ka hakambako amin’ny fijaliako dia atolotro ny Raiko. Ny Ray no handray ny fijalianao rehetra ao anatin’ny halehiben’ny famindram-pony ary ho avadiny Fahasoavana sy tso-drano maro ho anao sy ireo izay mijaly toa anao fa tsy mba nanana tombony tahaka anao mahafantatra sy mametraka ny fahatokisany Amiko.
Izay miendrika sedra
1E_02: Anaka, izay miendrika sedra dia loharanom-pahasoavana mandrakariva sy tso-drano ho an’ireo izay manaiky ireny sedra ireny. Ekeo ny miaina an’izy ireny rehefa avy apetrakao tanteraka eo am-pelatànan’ny Ray ireny sedra ireny. Tiako tokoa ianao.
Fanomezana tsara indrindra sy lehibe
3B_38: Ry bitikako, amin’izao fotoana izao ianao dia mandray ilay fanomezana tsara indrindra sy lehibe indrindra : NY FITIAVAKO. Miaina ilay fiovana ianao rehefa tonga olona feno fitiavana. Ary io fiovana ao amin’ny fonao io no hamporisika anao hanam-paniriana hanampy ny hafa am-pitiavana.
Misaotra anao Aho amin’ny fahatokisanao
2B_39: Anaka, misaotra anao Aho amin’ny fahatokisanao Ahy sy ny firosoana tsy mijanona na dia tsy fantatrao aza ny hitondrako anao. Hitanao tsara fa mandroso ianao ary Izaho no mitantana anao. Ny zava-dehibe ho anao dia ny afantaranao fa miaraka aminao mandrakariva Aho. Miaraka aminao Aho, ao anatinao Aho mba hanaovao anao ho tonga olona feno ny Fitiavako, satria, Tena Tiako loatra ianao.
Valio mandrakariva ireo antso
3B_20: Ry zanaka malalan’ny Ray, valio mandrakariva ireo antso izay halatsako ao am-ponao, indrindra ny antsoko hiara miasa amiko mba hitalahoana ny Ray hampiely ny Fitiavany ao am-pon’ny be sy ny maro. Aza manana ahiahy ianao, nahita sitraka teo anatrehan’ny Ray ianao. Avia miantsapaza aty an-tsandriko…fa isaky ny manao izany ianao dia hahita fifaliana, fiadanam-po ary fahasambarana. Mampanantenanao an’izany Aho.
Tohizo ny fanaikenao ho tantànana ao anatin’ny finoana
1D_09: Anaka, tohizo ny fanaikenao ho tantànana ao anatin’ny finoana. Mbola betsaka no tokony ho hitanao. Mbola tsy tena takatrao tsara hatraiza ny Fitiavan’Andriamanitra anao ! Mbola tsy tena hitanao tsara ihany koa ny Herin’Andriamanitra, ny Fitiavany sy ny Famindram-pony. Manaike ianao tiavina, manaike ianao ho fenoina.
Raisina sy iainana am-pitiavana miaraka
1E_22: Anaka, mba tsy hisy very na kely aza, dia apetraho daholo ao anatin’ny Foko : ireo fijaliana, alahelo, hafaliana, ahiahy na ireo tsy fahombiazana…ny zavatra rehetra mihintsiny. Raha apetraka ao anatin’ny Foko ireo toe-javatra rehetra ireo, raisina sy iainana am-pitiavana miaraka amiko sy ho Ahy dia ho lasa manandanja avokoa : ho lasa diloilo mampitony ny Foko maratra.
Mandrosoa mandrakariva ao anatin’ny Finoana
2A_01: Anaka, aza matahotra, mandrosoa mandrakariva ao anatin’ny Finoana. Ny fatsapanao ny Fiadanako ao anatinao no hafantaranao fa eo amin’ny làlana marina ianao. Amin’ny alalan’io Fiadanana tsapanao io koa no afahanao miroso sy maka ireo fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Raiko.
- Go to the previous page
- 1
- …
- 32
- 33
- 34
- 35
- 36
- 37
- 38
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany