1F_14: Anaka, mandray fahasoavana betsaka araka izay omby azy ny fonao. Eo anoloako, ao amin’ny fivavahana, amin’ny alalan’ny fandraisana ireo sakramenta, indrindra ny Fampihavanana sy ny Eokaristia, dia misokatra ny fonao ary tonga afaka mandray bebekokoa.
Lahatsoratra
Publications
Menu
Lire Plus
Menu
Omeo Ahy ny enta-mavesatrao
1F_05: Anaka, omeo Ahy ny enta-mavesatrao, ho hitanao fa maivana ny jiogago. Raha mba fantatrao ny Fitiavako anao, dia ho tianao tahaka ny naharian’ny Ray anao ianao. Manandanja ianao eo imasoko… Te hiresaka amin’ny fonao Aho. Mihainoa Ahy mandrakariva. Mila anao Aho.
Tsy maintsy ho levona ny ratsy
1D_32: Anaka, tonga ny fotoana mba hipariahan’ny Fitiavana izay mameno ireo voafidy, eto ambonin’ny tany. Tsy maintsy ho levona ny ratsy. Ary satria fomba iray ihany no handroahana ireo herin’ny maizina : dia ny fisian’ny fahazavana, dia torak’izany koa tsy misy afatsy fomba iray ihany koa ny fandroahana ny ratsy dia ny fisian’ny Fitiavana.
Isaky ny ao anatin’ny olana ianao
1D_28: Anaka, isaky ny ao anatin’ny olana ianao, aza tonga dia mitady avy hatrany ireo vahaolana, fa miverena miditra ao anatinao, miverena amin’ny « tsy mahavita azy » anao, amin’ny fahakelezanao, dia hiasa ny Fitiavana, na amin’ny alalan’ireo olona manodidina anao, na amin’ny alalan’ny tolo-tsaina mazava omena anao. Ianao, tsy misy ataonao afa tsy ny misaotra ny Ray. Mianàra manaiky ho tantànin’ny Fitiavana. Tiako ianao.
Dia mahatonga anao fitaovam-piadiana mahery vaika
1C_15: Anaka, ny fahatongavanao Fitiavana dia mahatonga anao fitaovam-piadiana mahery vaika, zana-tsipika afaka mahatratra ireo tanjona izay heverinao tsy ho tratra ireny mihintsy aza, ao anatin’ny ady izay efa miatomboka ankehitriny. Ny tafika tarihin’ny Reniko Masina, ary an’isany ianao, dia tena matanjaka eo amin’ny tontolo tsy hita maso, satria otronin’ireo Olomasina Lahy sy Vavy any am-paradisa sy ireo Anjely Masina Izy.
Ahy nitia, tia ary hitia
1A_24: Anaka, ekenao ve ny ho lasa tahaka an’io fo izay tia tanteraka io, ho tahaka Ahy nitia, tia ary hitia… miaraka amin’ireo fijaliana, ireo hafaliana, ny fiadanam-po sy ny Fitiavana aterak’izany, izay afaka tsy ho omenao fotsiny ihany fa ho azonao koa ? Miandry ny valin-teninao Aho. Tiako ianao.
Homany ny fonao
1C_39: Anaka, homany ny fonao amin’ny vavaka sy ny fandàvana ny tenanao, mba hatonga anao mihaino Ahy bebekokoa, tsy ny Teniko sy ireny tolo-tsaina ireny ihany, fa koa, ary indrindra, amin’ireny zava-mitranga mahafinaritra na mampalahelo ireny. Raha avelako hiaina an’ireny ianao, dia fampianarana ho anao ireny, izay tokony horaisinao mba hitomboinao.
Miha-mahery koa ny jironao
1B_26: R’ilay Bitikako, rehefa miha-tonga Fitiavana ianao, dia miha-mahery koa ny jironao. Ary mba ho tanteraka izany, dia tokony ho olon’ny Fitiavana ianao. Mba ho tonga io olon’ny Fitiavana io, dia tokony hanaiky ho Tiaviko, Izaho izay Tomponao sy Andriamanitrao, ianao. Amin’izay, dia lasa IRAY ao anatin’ny Fitiavana isika.
Mia-afaka mampiasa anao koa
1E_15: Anaka, rehefa mia-manaiky handany fotoana miaraka Amiko ianao, ary mia-mandray ny Fitiavako, dia mia-afaka mampiasa anao koa Aho mba hihaona amin’ireo zanako hafa koa izay tiako tokoa. Mila olona izy ireo hihaino, ao amin’ireo sofiny, izay efa reny tao am-pony. Tiako ianao.
Ny zavatra iainanao ety ivelan’ny tenanao
3B_19: Ry bitikako, tsy ny zavatra iainanao ety ivelan’ny tenanao no manandanja fa izay iainanao ao anatinao. Amin’ny alalan’ny fiovana izay ao anatinao no mampiposaka ny fahazavana izay tadiavinao. Ny Firaisam-po misy eo amintsika koa no hibitsika aminao fanampahan-kevitra mendrika, amin’ny fotoana mahamety azy...Koa aza matahotra fa miaraka aminao Aho ary rehefa tonga ny fotoana ilaivana azy dia ho tariako ianao satria tiako tokoa ianao.
- Go to the previous page
- 1
- …
- 29
- 30
- 31
- 32
- 33
- 34
- 35
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany