1E_21: Anaka, apetraho ao am-Poko avokoa ny fijalianao mba hanana ny lanjan’ny famonjena, ho an’ireo izay mampahory anao sy ireo tianao, izany hoe ireo izay mitoetra manokana ao anaty fonao, torak’izany koa ho an’ireo maro hankinina aminao ao anatin’ny tontolo tsy hita maso. Tiako ianao.
Lahatsoratra
Publications
Menu
Lire Plus
Menu
Amin’ilay làlana roa mirazotra
2B_12: Anaka, manomboka androany no tokony hizoranao amin’ilay làlana roa mirazotra, izany hoe : ny fanaikenao ny maha bitika anao sy ny fandraisanao ny Fitiavako. Ny zava-dehibe dia tsy ny fahafantaranao hoe aiza ho aiza ianao eo amin’io làlana io, fa ny fahazoanao antoka fa eo amin’io làlana io ianao. Efa eo amin’io làlana io ianao raha vao manome ny « ENY-NAO » amin’ny maha bitika anao, amin’ny fahosanao, amin’ny maha voafetra anao ary manome ny « ENY-NAO » handray ny Fitiavako.
Sarobidy eo imasoko ianao
1B_36: Anaka, sarobidy eo imasoko ianao, mila anao Aho ! Ataovy izay maha bitika anao. Manaike mihintsy aza hanjavona mba afahako miasa malalaka ao aminao sy ny manodidina anao!
Raisiko ny fahalemenao
2A_19: Ry bitikako, raisiko ny fahalemenao, ny faharefonao sy ny fahosanao, ary koa ireo fijaliana vokatr’ireo aminao. Akambako amin’ny fijaliako ireo. Apetrako ao anatin’ireo Feriko Masina izy ireny mba hatolotra ny Ray, tahaka ny fehezan-draozy izay mamerovero, mba afahanao miaina ao anatinao haravoana lehibe avy amin’ireo fahoriana ireo.
Avia manantona akaikikaiky kokoa Ahy ianao
3B_37: Anaka, avia manantona akaikikaiky kokoa Ahy ianao. Tiako horakofana ny Fitiavako ianao. Efa nahavita làlana niaraka isika fa mbola ho avy ny tena tsara kokoa. Rehefa atolotrao ao amin’ny fampindram-pon’ny Ray ny lasanao rehetra dia fafao tanteraka ao an-tsainao. Tiako ianao.
Avelao ho tanteraky ny Fifandraisako
2B_05: Anaka, avelao ho tanteraky ny Fifandraisako ampitiavana tsy mijanonona mitombo ianao. Io fifandraisana Amiko io no fototry ny fihovana izay miasa ao anatinao. Ny fanampiny, dia ny fifandraisanao amin’ny olon-kafa izay tokony iainana mandrakariva ao anatin’io fiainam-pitiavana io.
Mangalà fotoana miaraka Amiko
1A_33: Anaka, mangalaha fotoana betsaka mandrafitra tsara ny fatorana mampifandray antsika ; io fatorana io no sampany mitondra ilay voninkazo izay afahany manohitra ny rivotra sy ny rivo-mahery arahana oram-be. Anaka, mangalà fotoana miaraka Amiko, avelao hofenoiko ianao. Hihamafy noho izany ilay sampanao. Tiako ianao.
Manaike rotsirotsian’i Maria
1F_08: Anaka, manaike rotsirotsian’i Maria, Reniko, ao amin’ny Fitiavako izay Fitiavan’ny Raintsika… Tonga hanampy an’ireo izay mihaiky ny fahalemy Izy: Totofany soa ireo izay noana… Sambatra ianao miantehitra amin’ny Ray amin’ny zavatra rehetra ! Tiako ianao.
Miaraka aminao mandrakariva Aho
3B_21: Ry vady malalan’ny foko, miaraka aminao mandrakariva Aho ary feno haravona Aho mibanjina ny fahasambarako hanolotra anao amin’ny Ray, rehefa tonga ilay fotoana. Avia eto an-tratrako mba afahanao maheno ilay bitsika mamy avy amin’ny molotro izay miteny malefaka sy feno tambitamby aminao hoe Tiako ianao, tiako ianao, tiako ianao.
Rehefa mandray izay zavatra rehetra
1F_27: Anaka, rehefa mandray izay zavatra rehetra mitranga aminao ianao fa avy amin’ny Ray ireny ka atolotrao Azy avokoa, dia ho tonga tahaka ny ranon’ando ho anao ny trangan-javatra tsirairay, izay hanampy hampangatsiatsiaka anao sy hampitombo anao ao anatin’ny Fitiavana. Tiako be ianao.
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany