1D_29: Anaka, fihiniko eo amin’ny Foko ny fonao sy eo amin’ny Fon’ny Reniko Masina. Hampirehetiko amin’ny afon’ny Fitiavana Afoko ny fonao. Sambatra ianao satria, amin’ny alalan’ny fonao, dia ho fo maro no hirehitra amin’ny Afon’ny Fitiavana Afoko. Mitsinjaky ny hafaliana Aho, ry malala. Tiako loatra ianao.
Lahatsoratra
Publications
Menu
Lire Plus
Menu
Ilay firaisantsika izay miha
1B_18: Anaka, tsy hamela anao hianjera aho. Ireo “ENY-NAO”, ny fijalianao, indrindra ny nahatsapanao fa lavitra Ahy ianao, no manosika Ahy hiazakazaka hanatona anao, dia hifaly tokoa isika hihaona indray. Noho izany, dia hanamboatra tsikelikely ilay firaisantsika izay miha tsara sy mafy orina isika.
Mitoera ao anatin’ny Fiadanako
1C_30: Anaka, mitoera ao anatin’ny fankasitrahana sy fiderana, ary tehirizo ny fonao vonona handray sy hitolagaga amin’izay tanterahiko ao aminao, manodidina anao, ary amin’ny alalanao. Aoka tsy hatahotra ianao, mitoera ao anatin’ny Fiadanako, miaraka aminao Aho. Aoka ho tsapanao fa, amin’ny alalan’ny Fitiavako, dia ho tonga Fitiavana ianao. Omeko tso-drano afakely ianao.
Handray sy hahazo tombotsoa amin’ny Fitiavana
2B_26: Ry Bitikako, raha te handray sy hahazo tombotsoa amin’ny Fitiavana, dia ilaina aloha ny fanomezana ny « ENY-NAO » feno ary tsy misy fepetra amin’ny Ray. Amin’ny alalan’io « eny » io no afahan’ny Ray, Ny Rainao, Ny Raiko, Ny Raintsika, miondrika eo aminao mba hanatanteraka ireo fihovana rehetra ilaina, mba afahanao miaina eo amin’ny fonao ary mametraka ireo fahaizanao ampiasain’ny fonao.
Izaho eo foana
1C_12: Ry Bitika malalako, ianao no manapaka ny ora sy fotoana hiaonantsika. Izaho eo foana, manokatra ny sandriko, vonona ny handray anao, na inona na inona fihetseham-po izay ao aminao, na inona na inona toe-panahinao sy ny toe-tsainao. Avia mifitsaka eto an-tratrako, fa voatambitamby eo ianao. Manome toky anao Aho.
Tsy misy tokony hatahoranao
3A_25: Anaka, tsy misy tokony hatahoranao. Ny Reniko Masina dia mitrotro anao mba handrotsirotsy anao, ka afahanao miverina amin’ny fonao tamin’ny fahazazanao ary sitranin’ny Fitiavan’ny Ray izay te-hirotsaka ao aminao raha toa ka manaiky hidirany ianao.
Ny manan-danja, dia ny maha ianao anao
1C_23: Anaka, fantatro avokoa izay ilainao. Izaho, dia mijery eo amin’ny tenanao izay hamboariko sy havaoziko, rehefa nahazo fahazoan-dàlana avy aminao. Iriko ny tenanao ho tsara endrika be, hadio be sy ho fotsy tahaka ny oram-panala. Ny manan-danja, dia ny maha ianao anao, ireo izay hamelanao Ahy hotanterahiko ao aminao amin’ny alalanao sy manodidina anao. Matokisa Ahy, satria tiako ianao.
Ny Fitiavan’ny Ray
3A_24: Ry Bitikako, rehefa afaka mivezivezy malalaka amin’ny alalanao mba hikasika fo maro hafa ny Fitiavan’ny Ray dia amin’ny fotoana mahakasika ny fon’ilay olona hafa iny dia hisokatra ka ho tonga varavarana amin’ny Fitiavan’ny Ray koa ny Fonao.
Nahita sitraka teo imasoko ianao
2B_36: Anaka, nahita sitraka teo imasoko ianao. Aza mihevitena intsony hoe lehibe. Ekeo ny maha madinika anao, mba afahako mandray anao ety an-tsandriko, mamihina ny fonao eo amin’ny Foko mba hanatosahako tondram-pitiavana ao anatin’ny fonao. Dia haheno ilay bitsika malefaka ao anatinao lalina ianao, izay milaza hoe : « Tiako ianao ». Enonao ve Anaka, Tiako loatra ianao ! Tiako ianao !
Homeko anao ny aiko na ho anao
1F_11: Anaka, sarobidy ho Ahy ianao, manandanja eo imasoko ianao. Homeko anao ny aiko na ho anao irery aza. Trotroko ianao. Fihiniko eo amin’ny Foko sy ny Fon’ny Reniko Masina ny fonao mba ho kilan’ny Afon’ny Fitiavako Afo.
- Go to the previous page
- 1
- …
- 24
- 25
- 26
- 27
- 28
- 29
- 30
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany