1E_17: Anaka, aza matahotra. Ny Fitiavana dia matanjaka lavitra kokoa noho ireo fahasarotana sy ireo fahoriana izay mitranga aminao eny an-dàlana eny, ary tena mahery lavitra noho ireo izay mihevitra azy ho matanjaka. Avelao fehezin’ny Fitiavana ianao, ekeo fa ny Fitiavana dia tia anao ary dia ho vavolombelon’ny herin’ny Fitiavana hatrany ianao.
Lahatsoratra
Publications
Menu
Lire Plus
Menu
Avelao ianao ho rantsanana
1E_06: Anaka, aoka tsy hatahotra ianao, ny Ray no mitantana anao ; efa eo amin’ny làlana izay nofidiny ho anao ianao. Avelao ianao ho rantsanana, ho diovina, ho hamasinina, ho tiavina, hovana sy ho fenoina. Miaraha Amiko misaotra ny Ray mba ho tanteraka anie izany. Omeko anao ny Fitiavako. Mba tiako ange ianao.
Tahaka ny tany izay mila orana
1D_26: Anaka, tahaka ny tany izay mila orana mba hamokarany, ianao koa mila ireny zava-mitranga mahafaly sy mampalahelo izay miseho aminao ireny mba ho tonga « Fitiavana » feno. Raiso ary ekeo daholo ny zava-drehetra toy ny avy amin’ny Fitiavana, mba hatonga anao ho « Fitiavana ». Tiako ianao.
Ny Foko dia misokatra tanteraka
1B_07: Anaka, ny Foko dia misokatra tanteraka mba handray anao. Tsy miandry afa-tsy ireo « ENY » avy aminao Aho. Manaike ianao fenoina ; manaike ianao tiavina, manaike ianao valiana soa, manaike ianao kolokoloina, manaike ianao ho doroin’ny Afon’ny Fitiavako ! Tiako loatra ianao. Tsy misy fetrany ny Fitiavako !
Eo amin’ny fonao no misy Ahy
3A_05: Anaka, manatòna manakaiky kokoa Ahy izay Andriamanitrao. Aza mitady Ahy ao amin’ny lohanao na ny sainao; eo amin’ny fonao no misy Ahy. Raha mba fantatrao ny Fitiavako anao ! Raha mba hitanao ny Foko mirehi-pitiavana ho anao, dia ho avy ianao, amin’io ianao io, tahaka ny zazakely, hiantsampy eny an-tsandriko.
Tiako loatra ianao
1B_39: Anaka, tiako loatra ianao ! Ekeo ny Fitiavako. Dia avy amin’izay no afahanao mitia ny tenanao amin’ny maha ianao anao io, tsy mila faniriana te hiova ! Ary, farany, dia ho tonga Fitiavana tsy misy fitarainana, tsy misy fimenomenomana ianao, ka ho afaka mitia ireo maratran’ny fiainana izay apetrako eny amin’ny làlanao eny.
Rehefa mia-tonga Fitiavana ianao
1C_20: Anaka, rehefa mia-tonga Fitiavana ianao, dia mia-mitodika any amin’ny Fitiavana, dia lasa mia-vavolombelon’ny asany, ao anatin’ireo fo aloha. Rehefa tonga Fitiavana ianao, dia mivavaka amin’ny Ray tsy mihato miaraka Amiko sy ny Reniko Masina ; vokatr’izany dia fo maro be no misokatra amin’ny Fitiavana. Tia anao ny Fitiavana.
Ry Zanaky ny Foko, Tiako ianao
2B_28: Anaka, sambatra ianao manome ny « ENY-NAO » amin’ny Raintsika sy feno ny Fitiavany ! Ekeo fa Izaho, Jesoa, dia miondrika eo aminao ary mibitsika aminao eo amin’ny sofina hoe : « Ry Zanaky ny Foko, Tiako ianao, Tiako ianao, Tiako ianao !
Aza manaiky ajanona Fahavalo izay manisy fisalasalana
1D_35: Anaka, aza manaiky ajanona na sakanan’ny Fahavalo izay manisy fisalasalana na mamitaka anao, alohan’ny hivavahanao na hitenenanao, fa hoe tsy hanaiky izay ho lazainao ilay olona hiresaka aminao… Mianàra matoky tanteraka an’Andriamanitra, Andriamanitra mahavita ny tsy tsy vitan’olombelona Izy.
Fandresena lehibe isika
3B_27: Ry zanaky ny Foko, Raisiko eto antsandriko ianao. Fihiniko mafy eo amin’ny Foko ny fonao. Dia miaraka mandroso mankany amin’ilay fandresena lehibe isika. Raha mba nahafantratra manko ianao fa tena Tiako! Eny ! tsy manofy ianao, fa Izaho, Jesoa, ilay Sakaizanao hatramin’izay no miteny aminao : «Tiako ianao, Tiako ianao, Tiako ianao ».
- Go to the previous page
- 1
- …
- 21
- 22
- 23
- 24
- 25
- 26
- 27
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany