1A_02: Anaka, fantaro lalandava ao am-ponao ny tsy fahafahanao manao na inona na inona, na dia mahavita zava-mahagaga mahafinaritra amin’ny alalanao aza Aho indraindray. Iray ihany no andraisanao anjara amin’izany dia ny fanomezanao Ahy ny « ENY-NAO ». Raha tiako ampiasaina ianao dia noho ny Fitiavako feno loatra ho anao sy ho an’ireo zanako rehetra ety an-tany. Tiako loatra ianao, ary tiako ho totofana soa avy aty amiko ianao.
Lahatsoratra
Publications
Menu
Lire Plus
Menu
Tokony atao dia ny misokatra mandrakariva
1E_26: Anaka, rehefa tsy tsapanao eo anilanao Aho dia tsy midika izany fa nanalavitra anao Aho. Eo anilanao mandrakariva Aho. Ny tokony atao dia ny misokatra mandrakariva… Ny toe-piainana rehetra misy anao dia mba afahanao manokatra ny fonao. Noho izany, dia misy ny zavatra rehetra ilaina mba hisokatra tanteraka ny fonao… ary mba hiditra ao ny Fitiavana.
Tohizo ny firosoanao manatona Ahy
1C_14: R’ilay Bitikako, aoka ianao tsy hatahotra ; tohizo ny firosoanao manatona Ahy, avelao ho tantanako ianao. Izaho no Mpampianatra anao. Tariako ianao hatramin’ireo antsipirian’ny fiainanao. Tohizo ny manome Ahy ny fanaikenao. Tiako ny mahita anao manaiky sy mandray izay tiako omena anao. Amin’izay ianao lasa « Fitiavana ».
Manontany tena ianao matetika
3A_15: Ry Bitikako, manontany tena ianao matetika mba halala hoe ahoana ny hanantanterahana ny Sitrapon’ny Ray ary ny ahoana ny hafantarana azy. Amin’io fanontaniana io, dia tsy misy afatsy valiny tokana : ho tonga mifandray am-pitiavana aminy. Ny fanokananao fotoana ary fotoana betsaka amin’ny fifandraisam-pitiavana lalina Aminy no hatonga anao ho mpifandray am-pitiavana lalina.
Tiako ny mitahiry anao eo anilako
3B_36: Anaka, tiako ny mitahiry anao eo anilako, aza manalavitra Ahy mba hanaraka ny fironan-kevitr’izao tontolo izao ianao. Avia miantsapaza ianao eto antsandriko mba hahitanao mandrakariva fitsaharana sy fankaherezana. Mbola manana fitiavana betsaka homena anao Aho. Anisan’ny iray amin’ireo izay nofidiko ianao. Mirehi-pitiavana ho anao ny Foko.
Tsy misehoseho ny Fisiako
2A_26: Anaka, tsy misehoseho ny Fisiako, indraindray aza dia sarotra tsapaina sy renesina. Izany no natao dia mba hanajana ny fahafahana lehibe izay nomen’ny Ray ho an’ny zanany tsirairay avy ety an-tany. Rehefa ekena tsara sy irina ny Fisiako, dia miha voatsapa ! Misaotra mandray Ahy ao aminao sy maniry Ahy hatrany. Tena tiako ianao.
Ny orana milatsaka amin’ny tany tsara
1D_25: Anaka, rehefa ekenao ireo zava-mitranga aminao ary rehefa atolotrao ny Ray, dia toy ny orana milatsaka amin’ny tany tsara… Mamokatra vokatra maro izy… Dia toy izany koa ireo zava-mitranga : mamokatra harena be ireo rehefa raisinao, sy ekenao ary atolotrao eo ampelan-tànan’ny Ray.
Manaiky ve ianao
1A_08: Anaka, manaiky ve ianao ho Ahy ilay tsy miaina afa tsy ho Ahy? Ilay mandà ny fahafinaretany, ny endriny tiany hijeren’ny olona azy, ny lazany, ary indrindra ireo fihevitrao? Valio Aho !
Avia mifitsaka eo An-tsandriko
2A_08: Ry perla kelin’ny foko, avia mifitsaka eo An-tsandriko, ianao izay nandrasako efa ela izay. Faly tokoa Aho mahita anao manaiky ny fahakelezanao, ny faharefonao, ny fahalemenao, ny fahaosanao sy ny tsy fahavitanao na inona na inona ! Amin’ny alalan’izany ihany no afahako mamihina ny fonao eo amin’ny Foko sy afahako mandrotsaka ny Fiitiavana-Afo betsaka ao anatin’ny fonao.
Ny làlan’ny Fitiavana
1D_15: Miverena tahaka ny zazakely mba hanaikenao ho tantànana, hotiavina, hofenoina ary hampiantaina. Amin’izany, ny làlan’ny Fitiavana, ary amin’izany koa no hafahanao maheno ny Feo sy mahita ny Ray miasa. Mitoera ao anatin’ny Fitiavana, sakaizako ianao, tiako ianao.
- Go to the previous page
- 1
- …
- 20
- 21
- 22
- 23
- 24
- 25
- 26
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany