3B_14: Ry bitikako, aza miraika amin’izay fironan-kevitr’izao tontolo izao sy ireo lazaina fa sarobidy eto an-tany. Tokana ihany no tokony ho tanjonao dia ny manatanteraka ny Sitrapon’ny Ray. Mirehim-pitiavana aminao ny Foko. Avelao ny afon’ny Fitiavako handoro anao amin’ny afony. Tiako ianao
Lahatsoratra
Publications
Menu
Lire Plus
Menu
Lehibe tokoa ny Fitiavan’ny Ray
1C_01: Anaka, Tena lehibe tokoa ny Fitiavan’ny Ray, maniry Izy, raha natokana ho an’ny lanitra ihany io Fitiavany io taloha, mba hitàran’ny Fitiavany ho ety an-tany koa; efa manomboka izany ho an’ireo izay voafidy, toa anao. Io Fitiavana io dia tena lehibe sy madio ka tsy afaka miara-monina amin’ny ratsy. Io Fitiavana io dia mifidy ny hitoetra ao anatin’ireo fo madio sy mahitsy afaka mandray Azy.
Raha tsy Andriamanitra dia tsinontsinona
1F_38: Anaka, mianàra manolotra ny zavatra rehetra eo ampelan-tànan’ny Ray, mianàra matoky Azy amin’ny zavatra rehetra… Raha tsy Andriamanitra dia tsinontsinona ny olona. Izy irery no Mahefa. Ekeo ny Fitiavany. Tiako ianao.
Anatin’ny efitranony
1B_06: R’ilay Bitikako, ilay Reniko Masina dia mikiry ny mba hidiran’ireo voafidinay ao anatin’ny efitranony mba iainan’izy ireo dieny izao ny firavoravona. Eo amin’izany no loharano marina afaka mamelona anao, manome anao hery hiatrika ampitoniana ireo fijaliana. Ny Fitiavako dia mahery lavitra noho izay mety mampatahotra rehetra iainanao.
Tokony ho raisinao avokoa izy roa
1E_11: Anaka, dia mbola mihazakazaka manatona anao Aho mba handray anao eo an-tsandriko, hamihina anao eo amin’ny Foko ary hiteny aminao : « manaike tiavina ». Miaina fotoam-pahoriana sy fotoam-piravoravona ianao. Tokony ho raisinao avokoa izy roa ireo, satria amin’izao fotoana izao, dia ilainao ireo. Tiako ianao.
Tiako ho tonga afaka ny fonao
1C_26: Anaka, tiako ho tonga afaka ny fonao, satria tiako ho Ahy irery tanteraka. Rehefa omenao Ahy ny toerana voalohany amin’ireo asanao…dia mahafaly ny Foko masina ianao ! Ka nefa tiako ho fenoina bebekokoa ny fonao. Aoka hitodika mandrakariva aty Amiko ny fonao mba hanandrana ny Fitiavako.
Ireo fihidin’ny fonao
1F_30: Anaka, ekeo ireo fihidin’ny fonao ka atolory ny Ray, mba ho amin’ny alalan’ny tànany Mpahary, tonga Izy hanova ireo mihidy mba hisokatra midanadana, ka hamela ny Fitiavany hivezivezy malalaka ao anatin’ny fonao.
Fotoana izao, izao ankehitriny izao
2B_24: Ry Bitikako, tsy afaka herintaona, enimbolana, volana hoavy na rahampitso no iantsoako anao hanokatra ny fonao mba handray ny Fitiavana izay tiako harotsaka ao aminy. Fantàro fa amin’izao fotoana izao, izao ankehitriny izao.
Mirehi-pitiavana ny Foko
3A_07: Ry Bitikako, fantatrao fa mirehi-pitiavana ny Foko, ary maniry Aho ny handrotsaka io Fitiavana io ao anatin’ny fo maro. Ny làlana tsara indrindra hatanteraka an’izany dia ny hanaovanao fitsahoana Ahy amin’ny Eokaristia Masina. Ny faniriko ho velona ao anatin’ireo fo maro dia mandalo amin’ny alalan’ny fisiako ao amin’ny Eokaristia Masina. Mirehi-pitiavana ho anao ny Foko !
Ekeo ny tenanao
1A_13: Anaka, ekeo ny tenanao. Ilaiko ianao araka ny maha ianao anao izao. Ny fanaikenao ny tenanao izao no afahanao mandray ireo fahasoavana, Fahasoavana maro izay eo am-pelatànako ho anao.
- Go to the previous page
- 1
- …
- 17
- 18
- 19
- 20
- 21
- 22
- 23
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany