1A_10: Avia eto an-tsandriko Anaka! Tiako ho fihinina mafy eto amin’ny Foko ianao mba afahan’ny Foko miditra ao am-ponao. Ao anatin’ny tenanao lalina tokoa no afahan’ny fontsika mihaona.
Lahatsoratra
Publications
Menu
Lire Plus
Menu
Tsy ho leo mandrakizay
3B_29: Ry bitikako, tsy ho leo mandrakizay Aho mandray ireo fangatahana maro indrindra rehefa tsapako ao anatin’ny fo ny faniriana hanantateraka ny Sitrapoko sy ny Sitrapon’ny Ray. Tiako ianao.
Amin’ny fonao no tiako resahana
3A_06: Ry zazakely, amin’ny fonao no tiako resahana : manaiky ve ianao hanome Ahy ny « ENY-NAO » feno tsy misy fepetra ? Manaiky ve ianao hamoy ny fahafinaretanao, sy ny fiadanam-piainanao mba hanatanteraka ny sitrapoko ? Mila anao Aho ; sarobidy ho Ahy ianao. Avelao Aho hiteny aminao fa mirehi-pitiavana ho anao ny Foko. Tena tiako loatra ianao.
Amin’ny alalan’ny Fitiavana izay anananao ho an’ny hafa
2B_06: Ry Bitikako, nolazaiko tamin’ireo Apôsitoliko fa ny fifankatiavana misy amin’izy ireo no hafantarana fa Mpianatro izy ireo. Dia mbola amin’ny alalan’izany famantarana izany ankehitriny no hafantarana fa voafidiko ianareo. Dia mbola amin’ny alalan’ny Fitiavana izay anananao ho an’ny hafa no hanamarinanao, na eny na tsia, fa olona feno Fitiavana ianao.
Tahaka ny zanak’ondry
1E_08: Anaka, fantatry ny Ray izay ilainao amin’ny fiainana mba afahanao manao ilay dingana lehibe izay mitondra anao amin’ny hafenoin’ny Fitiavana. Manaike ianao ho tarihina tahaka ny zanak’ondry. Ho hitanao avokoa ireo izay irian’ny fonao. Tiako ianao.
Fantatro ny fanirianao
1A_01: Anaka, aza matahotra, fantatro tsara ny fahalemenao, fantatro koa ny fanirianao tsy hamadika Ahy rehefa misy ny fitsapàna. Manampy anao lalandava ny famindrampoko ary eo anilanao isan’andro Aho na dia tsy hitanao aza, na dia tsy renao aza ny fisiko, eo anilanao foana Aho. Ny fitiavako anao no manohana anao.
Efa nokarakaraiko
1A_05: Anaka, efa nokarakaraiko hatramin’ny ela ireo olona rehetra izay entinao ao am-ponao ary nankininao Tamiko. Tsy mana-petra ny Fitiavako anao. Henoy mandrakariva aho. Mitantana ny dianao Aho.
Hahitanao Fiadanana sy Fifaliana
1F_02: Anaka, miverèna manovo ao amin’ny loharanon’ny Fitiavana. Ao ihany no hahitanao Fiadanana sy Fifaliana… Omeo Ahy ireo adi-tsainao… Ny ilaivako anao, dia ny mba hanaikenao ho tiavina ary mba handray ny Fitiavako.
Fa maninona no mitady Ahy any an-kafa ianao
3B_03: Ry bitikako, fa maninona no mitady Ahy any an-kafa ianao? Takaro hatrany ny fisiako ao anatinao dia ho takatrao avokoa ny zavatra rehetra. Aza mitady ny ho tonga lafatra amin’ny herinao fa anjarako izany. Raiso ny Fitiavana izay arotsako ao anatinao amin’izao ora izao. Tiako amin’ny mahaianao anao ianao. Mirehi-pitiavana aminao Aho. Tiako ianao.
Hafenoin’ny Fitiavana Aho
2B_21: Ry Bitikako malalako, na dia tsy tsapanao mazava aza, dia mitàntana anao eo amin’ny làlan’ny hafenoin’ny Fitiavana Aho. Ny fanaikenao ny Fanahiko no afahako mitàntana anao toy izany.
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany