2B_18: Ry bitikako, raha amin’ny herinao, dia tsy ho tratranao ilay toeram-pahamasinana mahay mitondra tena tsara manoloana ireo ady atrehana. Ny misotro eo amin’ilay loharanom-pitiavan’ny Ray tsy tapaka ihany, ary ny fanaikenao havaozin’io Fitiavana io no afahanao mahatratra izany. Raha lazaina amin’ny fiteny hafa, dia amin’ny fangatahana sy ny famelàna ny Fitiavan’ny Ray hiasa ao anatinao no mahatonga ny zavatra rehetra ho tanteraka, na dia ireo tsy heverina ho vitan’ny olombelona aza.
Lahatsoratra
Publications
Menu
Lire Plus
Menu
Ny fonao dia mirehitra tanteraka
1E_09: Ry Zanaky ny Foko, avia mifitsaka eo an-tsandriko, mba hamihinako ny fonao eo amin’ny Foko ! Ny fonao dia mirehitra tanteraka amin’ny Afon’ny Fitiavako Afo. Tsy ny fonao intsony no mitepo ao an-tratranao, fa ny Foko. Ankehitriny dia Izaho no mitia sy mamela heloka amin’ny alalanao !
Banjino ireo fihetsiko
1F_16: Anaka, banjino ireo fihetsiko teo amin’ireo akaiky Ahy…hampianatra anao hanantena, na inona na inona hitranga na iza hitsipaka na iza hitsivalana. Arotsako ao aminao ny fahasoavam-pinoana lalina. Tiako ianao.
Sarobidy eo imasoko ianao
1C_17: Anaka, tiako ianao, mila anao Aho, sarobidy eo imasoko ianao. Manaike tiaviko, mahatsiaro fifaliana be Aho mihaona amin’ny fo iray izay manaiky hotiavina, izay fenoiko tsy tapaka ary ampidinako ao anatiny ny Fitiavako izay efa mitobaka. Mangalà fotoana handray Azy, hanandrana Azy !
Ny fanomanana ny fo
2B_29: Ry Bitikako, iray ihany no zava-dehibe sy maika, dia ny fanomanana ny fo. Ny fo voaomana, dia fo afaka miditra ao anatin’ny fifandraisam-pitiavana lalina amin’Andriamaniny. Io fifandraisana io, Anaka, no ho tsapanao ao anatinao, any anatinao lalina ary hiteraka fialofam-Piadanana, Fifaliana, Fitiavana izay nirianao nanomboka tamin’ny fiandohan’ny nahariana anao.
Vonona mandrakariva Aho hiasa ao anatinao
1A_35: Anaka, vonona mandrakariva Aho hiasa ao anatinao sy amin’ny alalanao. Tokony avelanao hiasa Aho; nefa dia tsy maintsy mihena ianao mba hatanteraka an’izany. Raha mifikitra mandrakariva eo Amiko ianao, dia Izaho mandrakariva no handalo ao aminao sy amin’ny alalanao. Io fato-pifandraisana io no ilaiko ho mafy orina tsara miaraka aminao.
Mangalaha mandrakariva fotoana mba hivontosanao
1F_36: Anaka, rehefa tena vonton’ny Fitiavana ianao dia tahaka ny sponjy izay mitete rano eran’izay hitondrana azy. Manondraka Fitiavana eny amin’izay handalovanao ianao. Mangalaha mandrakariva fotoana mba hivontosanao ilay ranonoram-pitiavana izay mirotsaka betsaka tsy tapaka eo aminao. Tiako ianao.
Sokafy midanadana kokoa ny fonao
3A_30: Anaka, raha mba fantatrao manko fa mirehi-pitiavana tanteraka aminao ny Foko ! aza mandany andro intsony ianao mijery ny tenanao na mandrefy anao. Avia miantsapaza ety an-trotroiko, ary sokafy midanadana kokoa ny fonao handray ny Fitiavako. Tiako amin’ny maha ianao anao izao ianao. Eny tendrement tiako ianao, et follement tiako ianao. Raiso ny Orokako feno tambitamby. Tiako ianao.
Ireo toerana lalina ao anatinao
1B_11: Ry zanako malalako, Izaho no Rainao. Ny Fitiavana izay homeko anao dia tsy misy fetrany. Tiako ny mihaona aminao ao anatinao lalina. Ireo toerana lalina ao anatinao dia toerana izay nofidiako mba hihaonako aminao, mba hiresahana aminao, mba hampianaràna anao, fa indrindra mba hitiavana anao.
Tadidio izay nataoko
1F_15: Anaka, aoka ianao hisaotra sy hidera amin’izay ho ataoko, na dia amin’ny alalan’ny toe-javatra mampalahelo aza. Tadidio izay nataoko ho an’ilay sakaizako Lazara, tamin’ny nananganako azy tamin’ny maty na dia efa simba aza ny vatany.
- Go to the previous page
- 1
- …
- 15
- 16
- 17
- 18
- 19
- 20
- 21
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany