3A_32: Anaka, tohizo hatrany ny fandrosoana ao amin’ny finoana madio. Vavolombelona ianao fa tantanako sy tsiloviko tokoa ianao. Aoka tsy hiahiahy ianao, sokafako avokoa ny varavarana rehetra izay tokony hisokatra ary hakatoko ireo varavarana rehetra izay tokony hikatona. Mbola averiko ihany, ho vavolombelon’ny asako ianao. Tiako ianao.
Lahatsoratra
Publications
Menu
Lire Plus
Menu
Omeo Ahy ny sitraponao
1A_31: Anaka, banjino izay tsy maintsy niainako raha teny amin’ny làlan’ny kalvery Aho ! Ny zava-dehibe dia ny nifikirako mandrakariva tamin’ny Raiko mba hanatontosako tsara ny asa nankininy Tamiko araka izay tiany sy ny hifikirako amin’ny sitrapony fa tsy ny sitrapoko. Omeo Ahy ny sitraponao dia manàna fitokisana Ahy.
Aza miraika amin’izay
3B_14: Ry bitikako, aza miraika amin’izay fironan-kevitr’izao tontolo izao sy ireo lazaina fa sarobidy eto an-tany. Tokana ihany no tokony ho tanjonao dia ny manatanteraka ny Sitrapon’ny Ray. Mirehim-pitiavana aminao ny Foko. Avelao ny afon’ny Fitiavako handoro anao amin’ny afony. Tiako ianao
Lehibe tokoa ny Fitiavan’ny Ray
1C_01: Anaka, Tena lehibe tokoa ny Fitiavan’ny Ray, maniry Izy, raha natokana ho an’ny lanitra ihany io Fitiavany io taloha, mba hitàran’ny Fitiavany ho ety an-tany koa; efa manomboka izany ho an’ireo izay voafidy, toa anao. Io Fitiavana io dia tena lehibe sy madio ka tsy afaka miara-monina amin’ny ratsy. Io Fitiavana io dia mifidy ny hitoetra ao anatin’ireo fo madio sy mahitsy afaka mandray Azy.
Raha tsy Andriamanitra dia tsinontsinona
1F_38: Anaka, mianàra manolotra ny zavatra rehetra eo ampelan-tànan’ny Ray, mianàra matoky Azy amin’ny zavatra rehetra… Raha tsy Andriamanitra dia tsinontsinona ny olona. Izy irery no Mahefa. Ekeo ny Fitiavany. Tiako ianao.
Anatin’ny efitranony
1B_06: R’ilay Bitikako, ilay Reniko Masina dia mikiry ny mba hidiran’ireo voafidinay ao anatin’ny efitranony mba iainan’izy ireo dieny izao ny firavoravona. Eo amin’izany no loharano marina afaka mamelona anao, manome anao hery hiatrika ampitoniana ireo fijaliana. Ny Fitiavako dia mahery lavitra noho izay mety mampatahotra rehetra iainanao.
Tokony ho raisinao avokoa izy roa
1E_11: Anaka, dia mbola mihazakazaka manatona anao Aho mba handray anao eo an-tsandriko, hamihina anao eo amin’ny Foko ary hiteny aminao : « manaike tiavina ». Miaina fotoam-pahoriana sy fotoam-piravoravona ianao. Tokony ho raisinao avokoa izy roa ireo, satria amin’izao fotoana izao, dia ilainao ireo. Tiako ianao.
Tiako ho tonga afaka ny fonao
1C_26: Anaka, tiako ho tonga afaka ny fonao, satria tiako ho Ahy irery tanteraka. Rehefa omenao Ahy ny toerana voalohany amin’ireo asanao…dia mahafaly ny Foko masina ianao ! Ka nefa tiako ho fenoina bebekokoa ny fonao. Aoka hitodika mandrakariva aty Amiko ny fonao mba hanandrana ny Fitiavako.
Ireo fihidin’ny fonao
1F_30: Anaka, ekeo ireo fihidin’ny fonao ka atolory ny Ray, mba ho amin’ny alalan’ny tànany Mpahary, tonga Izy hanova ireo mihidy mba hisokatra midanadana, ka hamela ny Fitiavany hivezivezy malalaka ao anatin’ny fonao.
Fotoana izao, izao ankehitriny izao
2B_24: Ry Bitikako, tsy afaka herintaona, enimbolana, volana hoavy na rahampitso no iantsoako anao hanokatra ny fonao mba handray ny Fitiavana izay tiako harotsaka ao aminy. Fantàro fa amin’izao fotoana izao, izao ankehitriny izao.
- Go to the previous page
- 1
- …
- 14
- 15
- 16
- 17
- 18
- 19
- 20
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany