1F_31: Anaka, voafidy ianao, tsy hoe ho tonga lehibe sy matanjaka eo imason’izao tontolo izao, fa ny ho kely, ho bitika eo imason’izao tontolo izao, mba ho tonga mahery eo amin’ny Fon’ ny Ray. Tiako ianao.
Lahatsoratra
Publications
Menu
Lire Plus
Menu
Dia hodioviko
1A_26: Anaka, ilaiko ianao hadio tanteraka : Tsy ho vitanao izany raha amin’ny herinao ihany. Raha manaiky ianao, dia hodioviko. Asako izany fa tsy asanao. Aza adino mandrakizay fa tiako ianao.
Ny olana izay mitranga ianao
1D_20: Anaka, efa nomenao Ahy daholo ; koa maninona no averinao lanjaina eo an-tsorokao indray izay efa olana noraisiko ho Ahy ? Tokony hijery fotsiny ny olana izay mitranga ianao, dia handray azy, hanolotra azy ho aty Amiko, hanao arakan’ny tolon-tsaina avy aty Amiko ary hijery ny vahaolana izay ho entiko. Tiako ianao.
Te hamihana anao eo amin’ny Foko
1C_06: Ry Bitikako mahantra, avia mifitsaka eo an-tsandriko. Te hamihana anao eo amin’ny Foko Aho. Te handrotsaka onim-pitiavana ao aminao Aho ; Amin’ny alalan’ny Fitiavana irery ihany no afahako mampitsonika ireo tahotrao sy manapaka ireo fatoranao. Isaky ny itoeran’ny tahotra ianao, dia midira lalindalina ao anatinao, mandeha ao anatinao lalina mba hiaona Amiko. Tiako ianao.
Ny Fitiavana dia afaka manova
1A_37: Anaka, avelao ny Fitiavana no hiahy anao, ary apetrao ao amin’ny Famindram-pon’ny Ray ireo zavatra izay tsy tianao rehetra, na avy aminao na avy amin’ny olona hafa. Kely loatra ianao ka tsy afaka ny hanova ny tenanao, vao mainka moa hanova ny hafa : ny Fitiavana dia afaka manova sy manadio ny zavatra rehetra.
Nanomboka teo amin’ny fasako no nipoiran’ny
2A_24: Anaka, nanomboka teo amin’ny fasako no nipoiran’ny fiainana vaovao tety ambonin’ny tany, raha noheverin’ireo nampamono Ahy fa nahazo fandresena izy ireo. Ny vatan’i Lazara dia efa nanomboka ho potika tamin’ny nananganako azy tamin’ny maty. Iriko mba ho tafalatsaka tsara ao aminao ireny zava-nitranga ireny, satria mampianatra anao ireny hoe hatraiza no tokony alehan’ny fanantenanao sy ny finoanao. Tadidio fa ireny zava-nitranga taloha ireny, izay ijoroan’ny finoanao dia nihariary taminkery raha toa ka niainga tamin’ny endrika faharesena tanteraka.
Ilay olona vaovao
2B_03: Ry Bitikako, ilay olona vaovao izay miorina ao anatinao dia tsy mitsahatra mitoetra ao anaty fiderana, fitsaohana, fisaorana ary fankasitrahana. Izany no mitahiry azy ho ravoravo, ary fantatra fa ireo fahasorenana, fahoriana, aretina na ireo fijaliana hafa dia manampy amin’ny fanadiovana azy.
Enoko ny vavakao
1E_28: Anaka, eny, enoko ny vavakao. Ataoko toy ny vavako ny vavakao ary atolotro ny Ray mba hovaliany… Ho an’ireo izay mametraka ny fitokisany amin’Andriamanitra, dia tsy tena mandalo fitsapana, fa misy tranga izay mitarika azy ho tonga fitiavana aingana, izay antony nahariana ny olombelona tsirairay.
Avy amin’ny antsom-pitiavan’ny
2B_25: Ry Bitikako, avy amin’ny antsom-pitiavan’ny Ray no namoronana anao, ary tsapanao io Fitiavana io tamin’ny namoronana anao, dia lasa mipetraka ao aminao io fangetahetana Fitiavana io. Ny fihaikena sy ny fanaikena ny Fitiavana izay harotsako ao aminao, amin’izao fotoana izao, dia mampisotro anao amin’ilay loharanom-pitiavana izay manafaka ny hetahetanao.
Aza matahotra
1C_29: Anaka, aza matahotra, nahita sitraka teo imasoko ianao, ary miaraka aminao Aho. Tazony hitodika aty Amiko ny fonao, dia hahita Fiadanana, Fifaliana, sy Fitiavana ianao, na inona na inona hitranga eo amin’ny manodidina anao. Aza adino fa ny zava-dehibe dia ny fifandraisana izay hanananao Amiko, fa tsy ireo fihetsika na ireo fitondra-tena na ny toetran’ny sasany.
- Go to the previous page
- 1
- …
- 10
- 11
- 12
- 13
- 14
- 15
- 16
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany