1D_31: Anaka, isaky ny mitaraina aty Amiko ianao, dia mihazakazaka manatona anao Aho. Dia raisoko eo an-tsandriko indray ianao. Mba tiako ny mamihina ny fonao eo amin’ny Foko ary, isaky ny manao izany Aho dia tonga miha Fitiavana ny fonao.
Lahatsoratra
Publications
Menu
Lire Plus
Menu
Izaho ilay Mpiandry ondrinao
1A_16: Anaka, manam-pitiavana betsaka ho Aho. Izaho ilay Mpiandry ondrinao; tena aza matahotra na inona na inona ianao. Miaraka aminao mandrakariva Aho na aiza na aiza misy anao ary na inona na inona ataonao.
Angataho Aho ho tonga
1C_21: Anaka, angataho Aho ho tonga hanapaka ireo fatorana mampifikitra anao amin’izao tontolo izao sy amin’ireo zavatra rehetra ara-materialy. Tiako ho olona afaka tanteraka ianao ; hiaina ny maha olona afaka marina amin’ny maha zanak’Andriamanitra, izay fanirian’ny Ray tamin’ny fotoanan’ny fahariana. Mba ho lasa Fitiavana, dia tokony hiverina ahazo ny fahafahana tany ampiandohana ianao, ilay fahafahana lehibe ilain’ny rehetra. Tiako ianao ary iriko ho Ahy tanteraka.
Ahitanao fiarovana izay tediavinao
3B_04: Ry zanako malalako, ny fanatonanao akaikikaiky kokoa ny Foko no ahitanao fiarovana izay tediavinao fa tsy ireo zavatra ivelany. Tena ao aminao tokoa Aho. Manaraka anao andro aman’alina Aho, aza matahotra na inona na inona satria eo aminao mandrakariva Aho na aiza na aiza misy anao, na inona na inona ataonao. Vady mahatoky Aho.
Omeo Ahy ny fonao
1A_14: Anaka, mirehi-pitiavana anao ny Foko ! Tiako hiparitaka aminao sy amin’ireo rahalahy sy anabavinao ny Fitiavako. Nampianatra Aho, fa tsy misy Fitiavana lehibe noho izay mahafoy ny ainy ho an’ireo izay tiany. Mialohan’ny afahana manome ny Ainy anefa, dia mila mahay mahafoy tapatapany amin’ny ainy aloha. Omeo Ahy ny fonao !
Aza mandany andro amin’ny fahavalo
2B_13: Ry zanako malalako, aza mandany andro amin’ny fahavalo. Banjino mandrakariva Aho, banjino ny Famindrampoko, ny Fifaliako, Ny Fiadanako ary ny Fitiavako. Rehefa apetrakao eny Amiko mandrakariva ny masonao dia hahita bebe kokoa ireo zava-bitako ianao, ary dia ho afaka ampiasaiko bebe kokoa ianao.
Tazoniko amin’ny tànanao ianao
1C_08: Anaka, aoka tsy hatahotra ianao, nahita sitraka eo imasoko ianao. Tazoniko amin’ny tànanao ianao, tahaka ny nitazomako ny tànan’i Piera rehefa nilentika tao anaty ranomasina iny izy noho ny tahotra. Manome toky anao Aho : isaky ny miaina andriran’antsy ianao, antsoy Aho, dia horaisiko amin’ny tànanao ianao ary hotehiriziko ao anatin’ny filaminan-tsaina ianao.
Mirehi-pitiavana
1C_18: R’ilay Bitikako, midira lalindalina ao anatin’ny Fitiavako, satria eo foana Aho, miandry anao, ny sandriko misokatra tsara mba handray anao, hamihina ny fonao mitohaka eo amin’ny Foko mba hanahafan’ny fonao ny Foko, mirehi-pitiavana. Tiako ianao.
Ny fiarovana izay tediavinao
1D_17: Anaka, Tiako homena Fahasoavana maro hafakely ianao mba hatoky bebekokoa ny Fitiavako ianao, raiso ireo Fahasoavana ireo ! ny fanaikenao ny Fitiavako no hatonga anao ho Fitiavana. Ao no ahitanao ny fiarovana izay tediavinao any an-kafa. Tiako ianao.
Mirehi-pitiavana ho anao ny Foko
3A_40: Anaka, mirehi-pitiavana ho anao ny Foko, ary mangetaheta fiombonana feno aminao Aho. Tena sarobidy amiko izay Andriamanitrao, ianao. Mila anao Aho, fa ny tena faniriko dia ny hahita anao tena akaiky ny Foko. Mananafitiavana betsaka Aho izay tiako harotsaka ao anatinao, avelao ho feno ianao. Ry zanaky ny Foko, tiako ianao.
- Go to the previous page
- 1
- …
- 9
- 10
- 11
- 12
- 13
- 14
- 15
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany