1E_01: Anaka, ny fanoloranao ireo tranga rehetra izay manelingelina anao, na manakorontana anao mihitsy, anie hitondra fahasoavana ho an’ireo fo izay misy ratra vokatr’ireo fifandirana avy amin’ny tontolon’ny fahandraharana sy avy amin’ny hafa. Arak’izany, enga anie ireo fo maratra ho afaka misokatra handray ny Fitiavana izay harotsaky ny Ray ao amin’izy ireo.
Ny hevitry ny andro
Menu
Lire Plus
Menu
Angataho Amiko ny fanetre-tena
1D_40: Anaka, angataho Amiko ny fanetre-tena sy ny fanaikena tanteraka mba hiasa mandrakariva ao anatin’ny Finoana. Tsy misy tokony hatahoranao, satria ny Fitiavana no mikarakara anao mba ho tonga « Fitiavana » ianao… Mangataha mandrakariva amin’ny Ray izay ilaivany anao ao anatin’ireo tranga tsirairay izay hitanao eny amin’ny làlanao.
Ny fiovan’ny fonao
1B_15: R’ilay Bitikako, ny fiovan’ny fonao dia Asako fa tsy asanao. Ny ataonao dia ny mamerina Amiko ireo, ireo « ENY-NAO », sy ny iaikenao ny fahalemenao ary indrindra ny fahatokisanao ny maha-mahefa ny zavatra rehetra Ahy hatramin’izay antsipirihany indrindra amin’ny fiainanao. Tiako ny hitantana anao ho akaiky ny Foko mba handrakotra anao bebe kokoa ny Fitiavako. Manaike tiavina ianao. Tiako ianao!
Asa miavaka
1B_38: Anaka, manaike lalina ao am-ponao ny hotiaviko manokana. Nofidiko ianao hanao asa miavaka ary mila anao tanteraka Aho. Tsy maintsy manaiky ny tenanao sy tia ny tenanao araka ny naharian’ny Ray anao ianao. Tsy maintsy manaiky ny hanome Ahy, ny « Eny » tsy misy fepetra ianao, ny ho tonga bitika, ny hanaikenao ny ho tantànako, tsy misy ady hevitra, tsy am-pisainana ary matetika tsy takatrao.
Diloilo manafàna ny Foko
1C_02: R’ilay Bitikako, averimbereno tenenina Amiko mandritry ny tontolo andro anio ny fitiavanao Ahy. Diloilo manafàna ny Foko izany, ny Foko izay mijaly, mahita ireo izay notiaviko, mandà ny Fitiavako ary manentsina ny sofiny amin’ireo Antsoantsoko tsy tapaka ! Misaora ny Ray izay manaiky hanome Fitiavana be ho an’ireo Zanany ety an-tany !
Ny Fitiavana izay omen’Andriamanitra anao
1D_10: Anaka, ny Fitiavana izay omen’Andriamanitra anao, dia tsy ho hitanao raha tsy manaiky ho tiavina ianao. Ny Famindram-po lehiben’Andriamanitra, tsy ho hitanao raha tsy manaiky hamindràna fo tanteraka ianao na dia ny faran’izay madinika indrindra amin’ireo tsy fahalavorarianao aza. Raiso ny Fitiavako sy ny Famindram-poko ! Tiako ianao
Ny mahatsinontsinona anao
2A_27: Ry bitikako, aza adino mandrakizay fa ny fahafantaranao sy ny fihaikenao antsitram-po ny mahabitika, ny mahatsinontsinona anao no mahatonga anao fitaovana azo ampiasaina eo an-tànan’ny Ray. Rehefa mahatsikaritra toe-po miheboebo ao anatinao ianao, dia miverena aingana ao anatinao lalina mba hatsapanao indray ny fahabitianao sy handraisanao ny Fitiavana izay omen’ny Ray anao tsy tapaka.
Tsy manery anao ny Fitiavana
1D_37: Anaka, tsy manery anao ny Fitiavana. Izay toerana omenao Azy ihany no raisiny rehefa miantso Azy ianao, alohan’ny hanaovanao zavatra. Matetika loatra dia miandany avy hatrany ianao, tonga dia manao dia avy eo ianao vao mangataka ny Fitiavana hiasa. Ahoana no heverinao hiasany ao anatinao… Raha maka fotoana tsara ianao manontany Azy hiasa… dia ho hafa tokoa ireo vokatra.
Nomeko anao ny Aiko
1C_04: Anaka, tiako ianao ; Nomeko anao ny Aiko ; tsy tiako ny mahita anao mijaly, tiako ho sambatra ianao. Ny Fitiavana izay tsapanao, dia ny Fitiavan’ny Ray izay mikoriana malalaka ao anatin’ny Foko, ny Fitiavan’ny Fon’ny Reniko Masina ary ny Fitiavan’ireo izay nanaiky hifikitra Aminy. Misy toerana malalaka afaka hifikiran’ny fo rehetra eto an-tany.
Tokony hanaiky hotantànako bebekokoa ianao
2A_28: Ry voafidiko, tokony hanaiky hotantànako bebekokoa ianao. Noho izany, dia mila mihaino Ahy bebekokoa hatrany ianao. Rehefa mivavaka ianao na midera, dia aoka hisy fotoana lavalava izay hanginanao mba hiainonao tanteraka ny Tomponao.
- Go to the previous page
- 1
- …
- 4
- 5
- 6
- 7
- 8
- 9
- 10
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany