2B_21: Ry Bitikako malalako, na dia tsy tsapanao mazava aza, dia mitàntana anao eo amin’ny làlan’ny hafenoin’ny Fitiavana Aho. Ny fanaikenao ny Fanahiko no afahako mitàntana anao toy izany.
Ny hevitry ny andro
Menu
Lire Plus
Menu
Efa eo amin’ny andàlan
1E_05: Anaka, efa eo amin’ny andàlan’ny fiovana lehibe ianao, izay mitondra anao amin’ny fahamasinana ; mila mahay miaina ao anatin’ny tsy firaiketam-po ianao. Isaky ny manapaka fatotra ny Ray, iaina alahelo ianao, iaina karazam-pahafatesana fa izany no hanampy anao handroso.
Raha mba fantatrao hatraiza ny itiavana anao
1F_26: Anaka, raha mba fantatrao hatraiza ny itiavana anao sy ny vokatry ny Fitiavana ao aminao, dia tsy hanana faniriana hafa ianao ankoatran’ny hatongavanao miha bitika hatrany mba afahan’ny Fitiavana maka ny toerana rehetra. Tiako be ianao.
Manaike doroin’ny Afon’ny
2A_17: Ianareo zanako, efa akaiky ny fotoana, manaike doroin’ny Afon’ny Fitiavako-Afo mba handoro ny tany tontontolo. Sambatra ianareo izay voafidy ho amin’izany iraka lehibe izany : hanova ny endriky ny tany mba hatonga azy ho tanin’ny Fitiavana, araka ny paikan’ny Ray. Ho tonga Fitiavana ianareo ! Tiako ianareo.
Maniry mafy ny handrotsaka
1F_04: Anaka, maniry mafy ny handrotsaka ao aminao onjam-pitiavana ao anatin’ny fonao Aho … Mila anao Aho manaiky bebekokoa ho tiavana tanteraka, hamindràna fo tanteraka, mba hampirehitra anao amin’ny Afon’ny Fitiavako Afo, ary hampitsonika anao amin’ny Afon’ny Fitiavako Afo.
Miverena mankaty Amiko
1C_24: R’ilay Bitikako, miverena mankaty Amiko, atodio bebekokoa aty Amiko ny fijerinao. Mora variana amin’ny tebitebin’ireo asanao ianao. Somebiseby amin’ny asanao ianao ka ataonao ho eo aminao daholo no ipetrahan’ny zava-drehetra, nefa eo Amiko izay Andriamanitrao daholo no ipetrahan’ny zavatra rehetra. Karakaraiko hatramin’ny antsipirihany indrindra; efa noraisiko an-tànana ianao ; nahita sitraka teo imasoko ianao ; ianao ilay nofinidiko, ry Bitikako malalako.
Aza mitsahatra mihaino Ahy
1D_39: Anaka,aza mitsahatra mihaino Ahy, mila anao Aho, nofidiko ho irahako hanantanteraka asa iray ianao. Tsy mbola takatrao aloha amin’izao fotoana izao ny hakantony, ny halehibeazany ary ny lanjan’io iraka io… Izay rehetra ilainao dia homena anao noho ny Fahasoavana.
Aoka hiaino Ahy bebe kokoa ianao
2A_12: Ry bitikako, aoka hiaino Ahy bebe kokoa ianao ; ho tsapanao fa eo akaikinao bebe kokoa aho. Tiako ho Ahy tanteraka ianao. Ny tena manadanja indrindra dia ny fanaikenao hovana, ary ny hanomezanao Ahy tsy tapaka ny fanaikenao, ary ny fihaikenao mandrakariva fa kely ianao sy tiako.
Rakofako ny Akanjoko ianao mba hiaro
1E_23: Anaka, na aiza na aiza misy anao, na inona na inona ataonao, dia miaraka aminao mandrakariva Aho. Ka tsy tokony ho hisy atahoranao. Rakofako ny Akanjoko ianao mba hiaro anao amin’ireo herin’ny fahavalo satana ary rakofako miaraka ihany koa ireo tianao sy ireo izay nankinina taminao. Tiako ianao
Andriamanitrao Aho
1F_03: Anaka, eny, Andriamanitrao Aho ary mikarakara hatramin’ny antsipiriany, na dia ireo tsy manadanja loatra aza, satria tiako ianao, satria mila firaisana tanteraka amin’ny fonao Aho, satria nomenao Ahy ny « Eny-nao ».
- Go to the previous page
- 1
- …
- 3
- 4
- 5
- 6
- 7
- 8
- 9
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany