1F_32: Anaka, ilay Fitiavana ao anatinao, izay tsy hitanao maso, izay tsy tsapanao foana dia tena miasa tsara tokoa. Hanova tanteraka ny tenanao izy, hanadio azy, mba hatonganao zana-tsipika tsy manan-tsahala, izay afaka hanatrobaka ireo izay tena mafy fo. Miaraka aminao dia te hisaotra an’i Ray Aho satria tonga « Fitiavana » ianao.
Ny hevitry ny andro
Menu
Lire Plus
Menu
Isaky ny manaiky
1E_33: Anaka, isaky ny manaiky hampandefitra ny sitraponao ianao, dia manome toerana bebekoa ny Sitrapoko, dia avy amin’ny alalan’izany no hatanteraka hatrany tsikelikely ny Sitrapoko amin’ny alalanao. Fitiavako ianao. Mba tiako ianao !
3A_29: Ry bitikako, efa hatramin’izay no voafidy ianao ho tonga olon’ny Fitiavana… ary hizara io Fitiavana io amin’ny hafa. Ry zanaky ny Foko, raisiko ny enta-mavesatrao, fenoiko ny Fitiavako ianao. Tendrement, tiako ianao, follement tiako ianao, Tiako ianao.
Ny fanaikenao ho tantànako
3A_08: Anaka, mandrosoa hatrany na dia tsy fantatrao aza ny hitondrako anao : amin’izany no tena ilako anao. Ny fanaikenao ho tantànako tahaka ny zazakely, no ianaranao mitoetra miaino Ahy, ary dingana iray indray mankany amin’ny fanetre-tena izany. Ny dingana tsirairay mankany amin’izany làlana izany no mitondra anao ho akaiky kokoa ny Foko.
Izao iainanao ankehitriny izao
3B_22: Ry zanaka malalan’ny Foko, izao iainanao ankehitriny izao dia mandalo fotsiny ihany. Tsy misy tokony hataoranao, eo ambanin’ny fiarovako mandrakariva ianao ! Arovako amin’ny Ràko sarobidy ianao. Rakofako amin’ny lambako sy ny an’ny Reniko Masina ianao ! Ankehitriny dia mandalo ny làlam-be izay mitondra anao ho amin’ny hafenon’ny Fitiavana ianao.
Mangalaha fotoana mijanona
1E_36: Anaka, Izaho, miombona amin’ny Fon’ny Ray, izay nomena iraka hitantana anao. Mangalaha fotoana mijanona mba hijery ny lasa, mba hahitanao ny fomba nitantanako anao. Manaike mandrakariva. Tiako ianao.
Amin’ny fonao mandrakariva no tiako resahana
2A_16: Anaka, amin’ny fonao mandrakariva no tiako resahana. Miha-misokatra tsy tapaka ny fonao, ka afaka mandray tsara kokoa ny Fitiavako ary vokatr’izany, afaka tsara hanome Fitiavana. Ela dia ela tokoa ny fizotran’izany ary tsy azo raha tsy omena fotoana, fotoana betsaka miampy ny nanomezanao sy ny hanoizanao hanome hatrany ireo « ENY-NAO » rehetra.
Alohan’ny hatongavana tena mpianatra
3A_31: Ry bitikako, alohan’ny hatongavana tena mpianatra, dia tokony hanaiky hanaraka ny Làlako ianao. Tokony ho afaka haneho amin-kalalahana ny safidinao ianao. Fantatry ny Rainao izay tokony ho fiainanao mba ho tena tanteraka, tsy mivadika ary tsy misy fepetra ny “ENY-NAO”. Ny “eny” izay atolotrao Ahy noho ny fanekenao hizaka ny vesatry ny fijaliana rahetra no “eny” tian’ny Ray ary mamokatra vokatra betsaka.
Anatin’ny tontolo tsy hita maso
2A_40: Ry perla sarobidy, raha mba fantatrao ny ataon’ny Ray amin’ny alalanao ao anatin’ny tontolo tsy hita maso, tohin’ireo « ENY-NAO » lavorary amin’ny Sitrapony ireny, sy ireo « tsia » amin’ireo hevitr’izao tontolo izao ireny !... Tsy ho ampy anao ny hisaotra Azy, ny hidera Azy, ny hankasitraka Azy mandritra ny fiainana mandrakizay.
Aza manahy na inona na inona
1B_30: Anaka, aza manahy na inona na inona ; efa nomaniko daholo ary karakaraiko ny zavatra rehetra. Aza mitsahatra mankasitraka sy miravoravo rehefa mahita ny Asako. Miara-miditra daholo isika ao amin’ilay Tany Vaovao, Eglizy Vaovao, miaraka amin’ireo olona vaovao izay manana fo vaovao, havaozin’ny Fitiavana tsy an-kiato.
- Go to the previous page
- 1
- …
- 37
- 38
- 39
- 40
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany