1A_34: Anaka, aza manahy, nahita sitraka teo imasoko ianao. Miaraka aminao mandrakariva Aho. Raha te hampifaly bebekokoa Ahy ianao dia aoka ianao ho lasa miha bitika, ary mitsofoa ao anatinao lalina: ao no misy Ahy, ao koa no hafantaranao ny fahosanao sy ireo fetranao. Ao koa no mitoetra ny fanetre-tena sy ireo toetra tsara izay napetrako ao aminao tamin’ny Bateminao.
Ny hevitry ny andro
Menu
Lire Plus
Menu
Mavesatra sy sarotra entina ny fijalianao
3A_26: Anaka, isaky ny mahatsapa ianao fa mavesatra sy sarotra entina ny fijalianao, dia avia miantsapaza eo an-trotroiko. Atolory Ahy ny fijalianao dia ho tsapanao fa maivana ny entako. Aza manana ahiahy fa efa henoko ireo vavakao sy ireo fitarainanao. Nahita sitraka teo imasoko ianao. Mirehi-pitiavana ho anao ny Foko.
Hetaheta te hiombona am-po aminao
1C_16: R’ilay Bitikako, avia eto akaikiko. Tiako ny fonao miankina amin’ny Foko mba hanamaivana ny hetahetako, hetaheta te hiombona am-po aminao, miaraka amin’ireo olon-tiako rehetra eto ambony tany. Mba tiako ny hahita an’izy ireo hiantsampy ety an-tsandriko. Raiso ny Fitiavako, ny Famindram-poko, ny Famelan-keloko, satria izany no tian’ny Ray.
Hiraikitra amin’ny Foko
1B_28: R’ilay Bitikako, avia mifitsaka eto an-tsandriko! Aoka anie ny fonao hiraikitra amin’ny Foko, mba hiaraka mitempo amin’ny Foko ny fitempon’ny fonao! Dia hianatra mitia amin’ilay Fitiavana izay itiavan’ny Foko!
Ry zanaky ny Foko
3B_33: Ry zanaky ny Foko, ianao izay novolavolaiko tamim-pitiavana tokoa, maniry ny handray anao eto an-tsandriko Aho ary hamihana ny fonao eo amin’ny Foko mba hatsapanao ny Fitiavako. Tsy manana afa tsy fitiavana ho anao Aho ; sokafy midanadana kokoa ny fonao. Raha sarotra ho anao ny manokatra azy, omeo alàlana Aho ary dia avy amin’ilay “Eny” tanteraka sy tsy misy fepetra, dia ho tanterahako izany.
Hanome anao indray ny fahafahana tany ampiandohana
1C_38: R’ilay Bitikako, omeo Ahy hatrany ny fahorianao. Ho lasa fahoriako ireny ary tsikelikely dia halana aminao ireny. Tsy ho tsapanao intsony ireny. Dia ho lasa olona afaka tanteraka ianao, satria lasa Fitiavana ianao. Ny Fitiavana no hanome anao indray ny fahafahana tany ampiandohana izay nesorin’ny fahotana taminao.
Ihany no afaka hanadio anao
1B_12: Anaka, ny Fitiavako ihany no afaka hanadio anao. Fantatro avokoa ireo fahasarotana mianjady aminao, ireo fahantranao, ireofijalianao; omeo Ahy ireo raha vao fantatrao iny, raha vao tsapanao iny. Izany no fepetra fototra mba hahafahako miasa ao anatinao, miasa amin’ny alalanao.
Tsy maintsy mandalo amin’ny trangan-javatra isankarazany
1D_08: Anaka, tsy maintsy mandalo amin’ny trangan-javatra isankarazany eo amin’ny fiainanao ianao mba hampitombo anao sy hahatonga anao tsara tarehy eo imasoko. Tena mila mandray ny Fitiavako ianao, mahatsapa fa tiako ianao ary mahafantatra fa miambina anao Aho, ary miaro anao sy mitantana anao hatramin’ireo antsipirihiny… Manàna fahatokisana Ahy bebekokoa, manaike tiavina.
Mandany fotoana maharitra eo anatrehako ianao
1B_21: Anaka, mba tiako raha mandany fotoana maharitra eo anatrehako ianao…mba hanaiky ho vonto bebe kokoa Ahy ianao…mba hanandrana bebe kokoa ny Fitiavako ianao. Manaike tiavina. Tiako ianao.
Ianao miaraka amiko ary Izaho miaraka aminao
1E_39: Anaka, isaky ny maka fotoana mba handraisana ny Fitiavana ianao sy mba hanaikenao ho tiaviko, dia hisokatra bebekokoa amin’ny Fitiavako ianao. Izany no tena fianarana marina ny Fitiavana : Ianao miaraka amiko ary Izaho miaraka aminao ; ianao ato Amiko ary Izaho ao aminao.
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany