2B_31: Anaka, aoka hatoky ianao fa ireny tranga izay mampalahelo anao ireny dia efa eo ampelan-tànan’ny Ray. Rehefa mahatanteraka ny fiovana nirian’ny Ray ao aminao ireny tranga mampalahelo ety ivelany ireny, dia ho hitanao fa hilamina ho azy irery eo ireny. Tahaka ny volamena izay mila fanadiovana amin’ny alalan’ny sedran’ny afo, no tsy maintsy handalovanao amin’ireo fijaliana sy fahasarotàna mba hatonga anao, ho io olona feno Fitiavana io, izay tian’ny Ray atao aminao. Aza mitsahatra midera.
Ny hevitry ny andro
Menu
Lire Plus
Menu
Aza adino fa voafidin’ny Ray
1D_11: Anaka, aza adino fa voafidin’ny Ray ianao. Tsy nofidiany noho ireo famendrehanao ianao na ireo talenta izay ao anatinao, ny fitiavam-bavakao na ireo fahaizanao maro izay mety heverinao fa anao na alaim-panahy ianao fa alainao. Noho ny Fitiavany ihany no nahatonga ny Safidiny niantefa teo aminao. Raiso ny Fitiavany izay maimaim-poana.
Ny antoka mampitsimoka ny voninkazo
1F_20: Anaka, ny antoka mampitsimoka ny voninkazo dia ny fahafahany mandray ny ranon’orana milatsaka. Dia torak’izany koa ho anao : ny antoka mampamokatra ny fijalianao, dia ny fahafahanao mandray azy, izany hoe ny fandraisana izay atokanao azy, ny fihetsikao sy ny fitondran-tenanao manoloana azy.
Tohizo ny fandraisanao ny Fitiavako
2A_35: Ry Bitikako, tohizo ny fandraisanao ny Fitiavako, amin’ny fiaikenao fa bitika ianao ; ny fanaovanao izany no mahafaly Ahy indrindra aminao, satria manana Fitiavana betsaka dia betsaka omena anao Aho, mba hatongavanao ho olona feno sy mamirapiratry ny Fitiavako. Tiako tokoa ianao.
Miha ilaiko ary manomboka
1F_24: Anaka, fonosiko amin’ny Kapaoty beako ianao mba hiaro anao sy handrakotra anao amin’ny Aloko. Rehefa miha mahatsiaro fa kely, malemy, tsy mahavita na inona na inona ianao, dia miha ilaiko ary manomboka afaka mandalo amiao sy mampiasa anao Aho. Tiako be ianao.
Avy amin’ny fonao
2B_40: Ry Bitikako, nihevitra ianao fa noho ny fahaizanao no antony ilaivako anao. Nefa teneniko aminao fa avy amin’ny fonao, io fo izay doroiko amin’ny Afon’ny Fitiavako-Afo, avy amin’ny alalan’ireo fijalianao. Atolory Ahy ny enta-mavesatrao, dia ho tsapanao fa maivana ny Jiogako.
Hampiray anao bebekokoa Amiko
1C_35: Anaka, atodiho aty Amiko ny fijerinao, dia hisy dikany hafa tanteraka aminao ireo zava-mitranga rehetra aminao. Raha tokony havariana sy hanalavitra anao Amiko izy ireo, dia vao mainka hampiray anao bebekokoa Amiko. Ho fantatrao bebekokoa ny Fitiavako dia ho tonga Fitiavana aingakaingana kokoa ianao.
Izaho no fiarovanao
2A_15: Ry bitikako, avia mifitsaka eto an-tsandriko ianao. Izaho no fiarovanao, ekeo ireo fihetseham-po manambara tahotra izay ao anatinao amin’izao fotoana izao; ilainao ireny mba hijanonanao ao anatin’ny fanetre-tena sy ny fahatokisana tanteraka fa eo ampelan-tànako ianao.
Ny fihetsikao manoloana tranga
2B_10: Anaka, ny fihetsikao manoloana tranga mahafaly na mampalahelo iray no afahanao mahafantatra raha olon’ny finoana ianao, na olon’izao tontolo izao. Raha tsikaritrao fa ao anatin’ny finoana ny fihetsikao, dia tokony hankasitraka an’ny Ray ianao, amin’ny fiderana sy ny fisaorana Azy amin’izany tombotsoa izay ataony aminao izany mba hatsapanao ny asany amin’ny alalanao.
Efa mitodika any aminao ny masoko
1F_06: Anaka, tsy misy tokony hatahoranao. Efa mitodika any aminao ny masoko. Manaike ianao ho tiavina ; ao amin’ny fahakelezanao mandrakariva sy eo amin’ny fonao no afahanao mihaona Amiko… Raha avelanao, dia doroiko amin’ny Afon’ny Foko ny fonao. Tiako ianao.
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany