1D_16: Anaka, manaike ho tiavina. Aza matahotra na inona na inona satria nahita sitraka teo imasoko ianao. Raisiko an-tànana ireo asanao sy ireo adin-tsainao. Raisoko ho Ahy ireo satria efa natolotrao avokoa aty Amiko… Aza adino mandrakizay fa Izaho Ilay Andriamanitra tsy toha.
Ny hevitry ny andro
Menu
Lire Plus
Menu
Rehefa ohatran’ny tsy misy mandroso
1E_30: Anaka, sarobidy eo imasoko ianao ary eo am-pelantanako ny momba anao. Rehefa ohatran’ny tsy misy mandroso eo imasonao, dia amin’iny fotoana iny indrindra no manatanteraka zavatra betsaka Aho. Ary raha tiako ampiasaina ianao, dia ny mba hampitombo ny finoanao.
Tena lehibe tokoa ny fitiavako
3B_18: Anaka, tena lehibe tokoa ny fitiavako anao ka tiako ho Ahy manontolo ianao, mba hafahantsika miaraka manatanteraka zava-dehibe maro. Fa ny tena mendrika sy manandanja indrindra dia ny hatsapanao fa tena lalimpaka ny itiavako anao ary koa ny fanekenao havaozin’ny Fitiavako.
No mifehy ny tenanao
1B_09: R’ilay Bitikako, henoy tsara izao : eo am-piovanao ho « Fitiavana », dia ny Fitiavana no mifehy ny tenanao, ary eo no fotoana hanombohanao hanatanteraka ny tena iraka amin’ny maha zanak’Andriamanitra anao. Eo no hahatonga anao ho mpiandry ondry ho an’ireo ondriko marobe…no hahatonganao ho lasa lakandranom-Pitiavana. Izany hoe, mandalo aminao ny Fitiavana mba hikasika ao anatin’ny tontolo tsy hita maso ireo fanahy mitady ho very.
Maharéta ao anatin’ny finoana
3B_26: Ry bitikako, maharéta ao anatin’ny finoana, fivavahana sy ny fanaikenao tanteraka Ahy izay Andriamanitrao. Eny, Izaho izay hampiditra anao ao anatin’ilay fahafahana feno amin’ny maha zanak’Andriamanitra… Izaho no hanome indray anao ny Fahafahana, dia ilay Bateminao.
Maniry ny hanomboka fanekem-pihavanana vaovao miaraka
1F_34: Anaka, ao anatin’ny fonao no tiako atao Fonenako, tahaka ny faniriako ny honenanao mandrakariva ao anatin’ny Foko… Maniry ny hanomboka fanekem-pihavanana vaovao miaraka aminao Aho. Tiako ho vadiana ny Fanahinao.
Tiako ho hasambatra ianao miaraka Amiko
1E_03: Anaka, tiako ho hasambatra ianao miaraka Amiko any amin’ny mandrakizay. Ireo fijaliana sy ireo fahasarotanana izay iainanao dia fotoana fohy hanadiovana sy hanamasinana anao. Ilainao tokoa ireny, tahaka ny orana izay ilain’ny zava-maniry. Raiso ary ekeo ireny.
Fifaliana lehibe mandrakariva
1C_33: R’ilay Bitikako, avia mifitsaka eto an-tratrako! isaky ny tonga eo an-tratrako ianao, dia misy ny ampahany ny Amiko no tafiditra ao anatinao. Dia mandray betsaka ny Fitiavako ianao amin’izany ary lasa Fitiavana bebekokoa. Fifaliana lehibe mandrakariva ho Ahy ny mamihina anao eo amin’ny Foko !
Amin’ny alalan’izany fifandraisana izany
3A_09: Anaka, tadidio fa ny fotoana tena sarobidy izay tena ilàko anao dia ilay fotoana izay iarahantsika ka itoerantsika ao anatin’ny fifandraisam-pitiavana. Amin’ny alalan’izany fifandraisana izany no hanovàna anao ary hampiasàna anao ao anatin’ny tontolo tsy hita maso, izay hanatanterahanao ny iraka voalohany indrindra ampanaovina anao. Tena tiako ianao.
Raiso ny tambitambin’ny Reniko
2A_13: Anaka, sambatra ianao nahita sitraka teo Imasoko ary nandray Fitiavana betsaka ! Raiso ny tambitambin’ny Reniko izay RENY-NAO tia anaotanteraka. Henoy tsara ireo teny izay lazainy moramora amin’ny sofinao avy amin’ny Foko sy ny Fon’ny Ray. Tiako ianao, tena tiako ianao.
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany