1A_24: Anaka, ekenao ve ny ho lasa tahaka an’io fo izay tia tanteraka io, ho tahaka Ahy nitia, tia ary hitia… miaraka amin’ireo fijaliana, ireo hafaliana, ny fiadanam-po sy ny Fitiavana aterak’izany, izay afaka tsy ho omenao fotsiny ihany fa ho azonao koa ? Miandry ny valin-teninao Aho. Tiako ianao.
Ny hevitry ny andro
Menu
Lire Plus
Menu
Homany ny fonao
1C_39: Anaka, homany ny fonao amin’ny vavaka sy ny fandàvana ny tenanao, mba hatonga anao mihaino Ahy bebekokoa, tsy ny Teniko sy ireny tolo-tsaina ireny ihany, fa koa, ary indrindra, amin’ireny zava-mitranga mahafinaritra na mampalahelo ireny. Raha avelako hiaina an’ireny ianao, dia fampianarana ho anao ireny, izay tokony horaisinao mba hitomboinao.
Mia-afaka mampiasa anao koa
1E_15: Anaka, rehefa mia-manaiky handany fotoana miaraka Amiko ianao, ary mia-mandray ny Fitiavako, dia mia-afaka mampiasa anao koa Aho mba hihaona amin’ireo zanako hafa koa izay tiako tokoa. Mila olona izy ireo hihaino, ao amin’ireo sofiny, izay efa reny tao am-pony. Tiako ianao.
Ny zavatra iainanao ety ivelan’ny tenanao
3B_19: Ry bitikako, tsy ny zavatra iainanao ety ivelan’ny tenanao no manandanja fa izay iainanao ao anatinao. Amin’ny alalan’ny fiovana izay ao anatinao no mampiposaka ny fahazavana izay tadiavinao. Ny Firaisam-po misy eo amintsika koa no hibitsika aminao fanampahan-kevitra mendrika, amin’ny fotoana mahamety azy...Koa aza matahotra fa miaraka aminao Aho ary rehefa tonga ny fotoana ilaivana azy dia ho tariako ianao satria tiako tokoa ianao.
Raiso, raiso, raiso
2A_10: Ry zanaky ny Foko, nanome « eny » betsaka ianao ; Mitaky « eny » hafa fanampiny ny Ray mba hamitany ny sanganasan’ny Fitiavana izay ianao ihany. Aza mandany andro mijery ny tenanao, na koa manontany tena. Tazony mitodika eo amin’ny Ray ny fijerinao, banjino ny Fitiavany. Aza mitady ny mba ho mendrika an’izany, satria tsy ho mendrika ny Fitiavany mandrakizay ianao, tsy ho vitanao mandrakizay ny ho mendrika ny Fitiavana lavorary. Raiso, raiso, raiso ny Fiantrany, ny Famindram-pony sy ny Fitiavany, satria izany no tiany ho tanteraka.
Ireo zava-mitranga aminao dia fitaovana
1F_40: Anaka, ireo zava-mitranga aminao dia fitaovana ao anatin’ny ny fitaovana hafa rehetra izay nofidian’ny Ray ho sakafonao isan’andro, izay ilaina amin’ny fanovana anao. Ka raha aingana ny handraisanao, ny hiainanao sy hanoloranao ireny amin’ny Ray dia ho aingana koa ny fahatongavan’ireo vokatra. Tiako ianao.
Làlana mitondra anao amin’ny hafenoin’ny Fitiavana
3A_16: Ry Bitikako, ianao izay eo amin’ilay làlana mitondra anao amin’ny hafenoin’ny Fitiavana, dia tsy maintsy ianao, isan’andro, hiditra lalindalina ao anatinao, mba hahitanao ao ireo harena izay nafeniny tao tamin’ny fotoana nahariany anao toy : ny FINOANA tsy misy fetrany amin’ny Rainao any an-Danitra ; ny FAHATOKISANA tanteraka Azy ; ny FANANTENANA ambony dia ambony ; ny FITIAVANA mitombo sy mihavao amin’ny alalan’ny fisokafan’ny fonao.
Tiako ny mahita anao bitika
1B_02: R’ilay Bitika, tiako ny mahita anao bitika mba handraisako anao eo an-tsandriko, ary ho fihiniko eo amin’ny foko. Rehefa tafatohoka tanteraka amin’ny foko ny fonao dia afaka mampirehitra azy amin’ny Afon’ny Fitiavako anao, ary mifehy azy amin’ny Fitiavako ! Avia andràmo ny Fitiavako. Tiako ianao !
Tsy misy afatsy fanafody tokana
1E_31: Anaka, tsy misy afatsy fanafody tokana ihany no entina miady amin’ny fahoriana ara-moralin’ireo rahalahinao sy anabavinao : dia ny Fitiavana, Fitiavana hatrany, Fitiavana ihany, tsy misy afatsy Fitiavana. Misaotra anao ao amin’ny fianarako, dia ny Fitiavana. Tiako ianao.
Tsoahiko eo aminao daholo izany enta-mavesatrao
1C_34: R’ilay Bitikako, Fifaliana lehibe ho Ahy ny mamihina anao eo amin’ny Foko. Raisiko ho aty amiko avokoa izay mavesatra loatra ho anao, tahaka : ny harerahanao, ireo adi-tsainao, ireo tebitebinao, ireo ahiahinao sy ireo tsy fahalavorarianao fahiny. Tsoahiko eo aminao daholo izany enta-mavesatrao rehetra izany, izay manakana anao tsy ho Ahy tanteraka. Fenoiko ny Fitiavako, ny Fifaliako sy ny Fiadanako ny toerana nialan’ireo.
- Go to the previous page
- 1
- …
- 31
- 32
- 33
- 34
- 35
- 36
- 37
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany