3A_37: Ry bitikako, n’inoninona ataonao dia miaraka aminao Aho. Mitoera eo amiko, avelao Aho izay Andriamanitrao hitarika anao. Atolory Ahy daholo ny zavatra rehetra dia ho olona afaka hifandray am-po Amiko ianao. Tiako ianao.
Ny hevitry ny andro
Menu
Lire Plus
Menu
Ny làlana hitondrana ny fanahy iray amin’Andriamanitra
1F_23: Anaka, ny làlana hitondrana ny fanahy iray amin’Andriamanitra, dia ny làlan’ny fanekena, ny famelan-keloka, ny famindram-po ary ny Fitiavana. Izany no làlana tokony mahazatra anao… Atolory ny Ray ireo sakana izay misy eo amin’io làlana io, mba afahanao mandeha am-pahalalahana amin’io làlana io.
Zavatra iray ihany no tena manandanja
1C_32: Anaka, mbola tsy takatrao tsara ihany fa zavatra iray ihany no tena manandanja : dia ny fifandraisam-pitiavana amintsika izay tokony hitombo ka ho lasa tsapanao mihintsy, na dia ao anatin’ireo toe-javatra mikorontana ivelany aza. Avereno omena Ahy tsikelikely, izay rehetra mitranga aminao, ireo izay tediavinao ho raisina an-tànana, mba ho afaka hitodika amin-kalalahana aty Amiko Tomponao mandrakariva ny fonao,
Misokatra handray Ahy ny fonao
1E_13: Anaka, misokatra handray Ahy ny fonao, ary Izaho, miondrika manatona anao tahaka ny reny miondrika eo amin’ny fandrian-janany kely, ka hamalifaly azy. Mba tiako ianao !
Mangalaha tsirony manandrana
1C_10: R’ilay Bitikako, mangalaha tsirony manandrana ny Fitiavako ka tsikelikely, dia hotonga amin’ny fifandraisam-po Amiko ianao, na inona na inona iainanao eo ivelany. Hatsapa fahafenoana mandrakariva ianao ary ho ao anatin’ny firavoravona.
Amin’ny alalan’ny fandraisana ireo sakramenta
1F_14: Anaka, mandray fahasoavana betsaka araka izay omby azy ny fonao. Eo anoloako, ao amin’ny fivavahana, amin’ny alalan’ny fandraisana ireo sakramenta, indrindra ny Fampihavanana sy ny Eokaristia, dia misokatra ny fonao ary tonga afaka mandray bebekokoa.
Omeo Ahy ny enta-mavesatrao
1F_05: Anaka, omeo Ahy ny enta-mavesatrao, ho hitanao fa maivana ny jiogago. Raha mba fantatrao ny Fitiavako anao, dia ho tianao tahaka ny naharian’ny Ray anao ianao. Manandanja ianao eo imasoko… Te hiresaka amin’ny fonao Aho. Mihainoa Ahy mandrakariva. Mila anao Aho.
Tsy maintsy ho levona ny ratsy
1D_32: Anaka, tonga ny fotoana mba hipariahan’ny Fitiavana izay mameno ireo voafidy, eto ambonin’ny tany. Tsy maintsy ho levona ny ratsy. Ary satria fomba iray ihany no handroahana ireo herin’ny maizina : dia ny fisian’ny fahazavana, dia torak’izany koa tsy misy afatsy fomba iray ihany koa ny fandroahana ny ratsy dia ny fisian’ny Fitiavana.
Isaky ny ao anatin’ny olana ianao
1D_28: Anaka, isaky ny ao anatin’ny olana ianao, aza tonga dia mitady avy hatrany ireo vahaolana, fa miverena miditra ao anatinao, miverena amin’ny « tsy mahavita azy » anao, amin’ny fahakelezanao, dia hiasa ny Fitiavana, na amin’ny alalan’ireo olona manodidina anao, na amin’ny alalan’ny tolo-tsaina mazava omena anao. Ianao, tsy misy ataonao afa tsy ny misaotra ny Ray. Mianàra manaiky ho tantànin’ny Fitiavana. Tiako ianao.
Dia mahatonga anao fitaovam-piadiana mahery vaika
1C_15: Anaka, ny fahatongavanao Fitiavana dia mahatonga anao fitaovam-piadiana mahery vaika, zana-tsipika afaka mahatratra ireo tanjona izay heverinao tsy ho tratra ireny mihintsy aza, ao anatin’ny ady izay efa miatomboka ankehitriny. Ny tafika tarihin’ny Reniko Masina, ary an’isany ianao, dia tena matanjaka eo amin’ny tontolo tsy hita maso, satria otronin’ireo Olomasina Lahy sy Vavy any am-paradisa sy ireo Anjely Masina Izy.
- Go to the previous page
- 1
- …
- 30
- 31
- 32
- 33
- 34
- 35
- 36
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany