1C_13: Anaka, fifaliana vaovao ho Ahy mandrakariva rehefa miantso Ahy ianao. Tiako ny mahita anao mihaino Ahy. Tohizo ny mivavaka amin’ny Ray iarahanao Amiko sy ny Reniko Masina, mba hisokafan’ireo fo sy hatonga an’ireo fo hiaino Ahy. Ny Famindram-po sy ny famelan-keloka dia eo foana, ary miandry atolotra ho an’ireo izay miaiky ny fahotany. Tohizo ny miantso ireo fo ao antin’ny tontolo tsy hita maso mba hisokafany amin’ny Famindram-po lehiben’ny Ray.
Ny hevitry ny andro
Menu
Lire Plus
Menu
Miala amin’ireo olan’izao tontolo izao
1C_27: R’ilay Bitikako, ny hatongavana ho « Fitiavana » dia ny mifandray am-pitiavana akaiky Amiko mandrakariva, miala amin’ireo olan’izao tontolo izao. « Olan’izao tontolo izao » hoy tsara Aho…. Fa tsy niteny Aho hoe tsy mila miasa eo amin’izao tontolo izao ianao. Ny asa, dia ny fanehoana ny ataonao ety ivelany, fa kosa ny olana dia miantefa amin’ny fonao. Izaho, dia ny fonao no tiako ho Ahy manontolo. Andriamanitra Fitiavana Aho.
Tantànako ny dianao
1A_07: Anaka, ny fiainanao amin’izao fotoana izao dia ny fiainana tsara indrindra ho anao anio ; ny rahampitso kosa dia zavatra hafa. Tantànako ny dianao. Matokisa Ahy satria tiako ianao.
Aoka ho tsapanao
1D_36: Anaka, avia mifitsaka eo an-tsandriko. Eto an-tsandriko ihany no afahanao miditra ao amin’ny fahalalahana tanterak‘ireo zanak’Andriamanitra. Aoka ho tsapanao fa isaky ny mikorontana ety ivelany ianao, dia ireo tebiteby sy adin-tsaina no manenika anao; rehefa miverina aty Amiko ianao dia hahita Fiadanana sy Hafaliana.
Manaike tiavina
1E_07: Anaka, manaike tiavina, manokana fotoana handray ny Fitiavana izay omeko anao. Io Fitiavana io no hitantana anao, no hitondra anao mankany amin’ny fiainana vaovao. Ny ataonao dia ny manohy tsy manohitra fotsiny sy manaiky ho tarihina ary mandray ny zavatra rehetra ho toy ny avy amin’ny Ray avokoa.
Mangalà fotoana tsara handray
1D_04: Anaka, mangalà fotoana tsara handray ny Fitiavana. Fotoana sarobidy izany ho anao. Ny Fitiavana ao anatinao hanova anao ary, rehefa voahova ianao, dia hiparitaka amin’ny fon’olona maro Izy. Ny ataonao dia ny mamela ny Fitiavana hiasa ao anatinao mba hitohy Izy hiasa amin’ny manodidina anao sy amin’ny alalanao.
Izay voarainao avy any an-danitra
2A_29: Ry Bitikako, izay voarainao avy any an-danitra dia efa madio. Ny fankasitrahanao an’izany dia manampy amin’ny fanadiovana anao ; ary raha zarainao, dia mandray anjara ianao amin’ny fanadiovana ny hafa sy ny tany rehetra. Izay voarainao avy amin’ireo olona hafa, na tsara izany na ratsy, dia tsy mampisy voka-dratsy ho anao, raha toa ka tsy tehirizinao ho anao ; fa kosa raha atolotrao avy hatrany an’Andriamanitra, dia ho voadio tanteraka.
Ny tena manandanja indrindra
3B_13: Ry bitikako, aza atakalonao amin’ny zavatra tsy misy dikany ny tena manandanja. Ny tena manandanja indrindra dia ny fifankatiavana lalina izay misy eo amintsika, aryireo izay tsy misy lanjany kosa dia izay rehetra ivelan’izany fifandraisana ampitiavana misy amiko sy aminao ary aminao sy Amiko izay Andriamanitrao izany.
Ny Fony dia Afom-pitiavana
1E_34: Anaka, na dia miezaka ny hampiasa malalaka ny eritreritrao aza ianao dia tsy ho takatrao na dia ny kely indrindra amin’ny Fitiavan’ Andriamanitra Raintsika. Ny Fony dia Afom-pitiavana, Afo tsy miova, izay mihavao tsy tapaka ary tsy mety maty. Isaky ny miteny « Eny » ianao manaiky ho tiavina, dia tonga mitoetra ao aminao ny Fitiavana.
Midànadàna ny Foko mba handray anao
2B_35: Anaka, lehibe ny Hafaliako, tonga ny fotoana, midànadàna ny Foko mba handray anao… handray anareo, hitrotro anareo ety an-tsandrin-dRay sy Reny, ary hamihina anareo mafy eo amin’ny Foko mirehi-pitiavana, mba afahanareo maheno ny bitsika amin’ny sofinareo hoe : Tiako ianareo. Tiako ianao, Tiako ianao, Tiako ianao. Ny Rainareo, ny Rainao.
- Go to the previous page
- 1
- …
- 29
- 30
- 31
- 32
- 33
- 34
- 35
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany