2A_04: Ry bitikako, raha mba fantatrao ny hafaliana izay misy any an-danitra, na dia noho ireny fotoana omenao ifandraisantsika lalina ireny ihany aza ! Ny Afon’ny Fitiavana-Afo no mirehitra hatrany hatrany ao anatin’ny fonao ary koa mirehitra ao anatin’ny fo maro. Ary tsy ho ela intsony, dia hiova, hiavao tanteraka ny tany ary ho vonona handray Ahy amin’ny Fiverenako manetriketrika.
Ny hevitry ny andro
Menu
Lire Plus
Menu
Apetrao aty amiko ny enta-mavesatrao
1A_03: Ry zanako malala, apetrao aty amiko ny enta-mavesatrao sy ireo fahasahirananao rehetra mba hatonganao ho Ahy tanteraka. Miankìna tanteraka Amiko ianao.
Ny tsy fahombiazana ny fonao
1D_06: Anaka, aoka tsy hatahotra ianao, aza avela ho feno fanahiana na tahotra ny tsy fahombiazana ny fonao. Atodio aty Amiko ny fijerinao. Jereo ny Fitiavana izay omeko anao sy ireo olon-tianao. Jereo izay efa vitako ao anatinao sy manodidina anao. Jereo koa izay efa natomboko ho tanterahiko amin’ny alalanao.
Toerana hafa afatsy ao anatinao
2A_09: Ry perla kelin’ny Foko, ny valiteny izay tadiavinao, dia tsy ho hitanao amin’ny toerana hafa afatsy ao anatinao, amin’ny alalan’ireo fotoana maharitra iarahanao lalina Amiko. Tsy ny ataonao no hamalianao ny antsoko fa ny iainanao. Ny tenanao, izay namboarina tamin’ny Fitiavana mba ho tonga « Fitiavana », dia tsy ho tonga amin’ny tanjona farany raha tsy amin’ny alalan’ny Fitiavana.
Ny halehiben’ny hafaliako
3B_23: Ry bitikako, raha mba fantatrao manko ny halehiben’ny hafaliako afaka mandrotsaka ny Fitiavako ao anatin’ny fonao ! Tsy ny hoe mendrika io Fitiavana io ianao na tsia no ilaina fantatra fa hoe vonona handray azy ve ianao. Ny fandraisanao ny Fitiavako no hanadio sy hanova anao.
Aoka ianao ho Fitiavana mandrakariva
1B_27: R’ilay Bitikako, aoka ianao ho Fitiavana mandrakariva sy Fitiavana amin’ny toerana rehetra. Andao hiaraka miditra ao anatin’ny firavoravona lehibe isika, satria Fitiavana Aho, Fitiavana ianao, Fitiavana isika. Izany no asa tanterahiko, asa ataonao, asa ataontsika miaraka. Ho voninahitry ny Raintsika, dia ho lasa IRAY ao anatin’ny Fitiavana isika. Anao ny Fitiavako rehetra.
Rehefa miha manaiky
1E_37: Anaka, manaike tiavina. Rehefa miha manaiky izay hanaovako anao ianao, dia ho lasa fitaovana izay azoko ampiasaina, ary miha maheno fifaliana amin’ny faharetana amin’ireo « ENY-NAO », na dia afaka hiteny « tsia » ampahalalahana aza ianao refeha nandinika tsara. Tiako ianao.
Ekeo ny Fitiavako
1B_22: Anaka, marary Aho fa tsy tiana ny Fitiavana, fa tsy misy mandray ny Fitiavana nentiko tety an-tany. Mitoera eo akaikiko, ekeo ny Fitiavako, atolory Ahy ireo fifalianao sy ireo fijalianao, ho raisoko ho Ahy ireo. Izaho no Andriamanitrao. Tiako ianao.
Midìna lalin-dalina kokoa hatrany ao anatinao
2A_38: Ry Bitikako, midìna lalin-dalina kokoa hatrany ao anatinao, mba hidiranao ao anatin’ny fifandraisam-pitiavana lalina Amiko. Aza raharahiana ny fihevitr’izao tontolo izao. Tadidio fa iray sy tokana ihany no manan-danja : ny fifandraisam-pitiavantsika lalina, izay misy eo amintsika… io fifandraisam-pitiavana io dia mitondra anao eo amin’izay tian’ny Ray hisy anao ary mamela Azy hanatanteraka ny asa izay tianay atao amin’ny alalanao.
Akoka tsy hiahiahy ianao
3A_34: Ry bitikako, akoka tsy hiahiahy ianao, Izaho no ilay Andriamanitra mahay mampisy ny tsy misy. Mihainoa Ahy mandrakariva ary sokafy tsara ireo masonao mba hahita ny Asako. Sarobidy Amiko ianao. Mila anao Aho. Tiako ianao.
- Go to the previous page
- 1
- …
- 28
- 29
- 30
- 31
- 32
- 33
- 34
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany