1A_11: Anaka, avia eto anilako. Rehefa eo akaiky ny Foko ny fonao dia voadoron’ny afon’ny Fitiavako. Tahaka ny volamena izay mila diovina amin’ny afo dia torak’izany koa ny fonao, mila diovina amin’ny afon’ny Fitiavako. Tiako ny mahita anao manaiky Ahy.
Ny hevitry ny andro
Menu
Lire Plus
Menu
Fotoanan’ny fivavahana
3B_32: Anaka, fotoanan’ny fivavahana, fitsaona sy fanantonana ireo sakramenta izao. Amin’ny alalan’izy ireo dia hitoetra ao amin’ny fifankazaona tsara amiko ianao, ao anatin’ny fiombonana amin’ireo olo-masina any am-paradisa sy eto an-tany, ary hitoetra ao anatin’ny lamban’ny Reniko Masina ary tsilovin’ny Fanahy Masina sy ho eo ambany fiarovan’ireo Anjely Masina. Koa aza manana ahiahy ianao.
Raha mba fantatrao ny Fitiavana
1F_33: Anaka, raha mba fantatrao ny Fitiavana izay misy any An-danitra, raha mba fantatrao ny Fitiavana izay tian’ny Ray harotsaka ao aminao sy ao amin’ireo zanany ety an-tany. Raha mba fantatrao ireo vokatry ny Fitiavana ao anatin’ny fo iray rehefa tena raisina feno izy, dia tsy haniry zavatra hafa ankoatran’ny Fitiavana ianao. Tiako ianao.
Foana ny vavaka sy ny fifadian
3A_33: Anaka, tena mandanja foana ny vavaka sy ny fifadian-kanina ! Tokony ho ivon’ny fiainanao ny Eokaristia ! Ny sakramentan’ny fampihavanana dia mitazona anao ao anatin’ny fadiovam-po! Manaraka izany, atodio any amin’ny Ray mandrakariva ny fijerinao, Izy izay ilay Fitiavana ary hitantana anao mankany amin’ilay sivilizasion’ny Fitiavana! Tiako ianao.
Dia ilaina ny fanaikenao
1A_29: Anaka, mba afahako miasa malalaka ao aminao, eo amin’ny manodidina anao ary amin’ny alalanao, dia ilaina ny fanaikenao. Aoka ianao ho azo volavolaina ary ao anatin’ny fisaorana mandrakariva na dia ao anatin’ireo alahelo sy ireo sedra na ao anatin’ireo hafaliana sy ireo fotoana tsara. Ny faniriko dia ny mba ho Ahy tanteraka ianao.
Ny làlana mankany amin’ny fahafahanao
1D_07: Anaka, raha mba fantatrao ny hafaliako miondrika eo aminao, mamihina ny fonao eo amin’ny Foko, manapaka ireo fatorana amin’ireo zavatr’izao tontolo izao mba hatonga anao ho olona afaka tanteraka, mba hanandramanao, dieny izao amin’ny fahavelonao izao, amin’ny fahafahana marin’ireo zanak’Andriamanitra… Ny làlana mankany amin’ny fahafahanao, dia ny Fitiavana. Ny làlana mankany amin’ny Fitiavana, dia ny fandraisanao ny Fitiavana avy amin’ny loharono marina niaviany. Tiako ianao.
Ahy mandrakariva ny fahalemenao
1A_18: Anaka, atolory Ahy mandrakariva ny fahalemenao. Ianao, raha amin’ny herinao ihany dia tsy misy dikany ; Izaho no fahataperana! Ekeo ny maha ianao anao ary ekeo ny maha Izaho Ahy. Amin’izay dia ho afaka manatanteraka zava-mahagaga ao aminao sy amin’ny alalanao Aho. Avy amin’ny alalan’ny fahalemenao indrindra no iamparan’ny Heriko.
Omeo Ahy ireo fifalianao
1E_27: Anaka, omeo Ahy ireo fifalianao sy ireo alahelonao, ireo zavatra ataonao sy ireo ahiahinao, ireo fahombiazanao na ireo tsy fahombiazanao. Apetrao ao anatin’ny Foko avokoa. Mila ailikao daholo ny zavatra rehetra mba afahano miditra ao amin’ny Fitiavako, izay te hameno ny toerana rehetra.
Manana porofo maro ianao fa tiako ianao
1A_32: Anaka, matokia Ahy, na dia tsy fantatrao aza ho aiza no itondrako anao. Manana porofo maro ianao fa tiako ianao ary izay mahasoa anao no ilaiko ! Ianao ilay nofidiko, Izaho no Mpitarika anao ; aza manahy, aza matahotra. Eo Aho. Tiako sy arovako ianao. Inona no tadiavinao mihoatra an’izany ? Valio Aho !
Ireny fotoana omenao ifandraisantsika
2A_04: Ry bitikako, raha mba fantatrao ny hafaliana izay misy any an-danitra, na dia noho ireny fotoana omenao ifandraisantsika lalina ireny ihany aza ! Ny Afon’ny Fitiavana-Afo no mirehitra hatrany hatrany ao anatin’ny fonao ary koa mirehitra ao anatin’ny fo maro. Ary tsy ho ela intsony, dia hiova, hiavao tanteraka ny tany ary ho vonona handray Ahy amin’ny Fiverenako manetriketrika.
- Go to the previous page
- 1
- …
- 27
- 28
- 29
- 30
- 31
- 32
- 33
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany