1B_04: R’ilay Bitikako, maniry ny hiaraka aminao Aho, tahaka Ahy miaraka amin’ny Raiko, mba afahanao mivelona tsy tapaka amin’ny Fitiavanay. Io Fitiavanay io hikasika ny fon’ireo izay eny amin’ny làlanao eny. Ianao, dia ho vavolombelona fotsiny ny Asanay: tsy ianao intsony no velona fa Izahay (Andriamanitra) no velona ao anatinao.
Ny hevitry ny andro
Menu
Lire Plus
Menu
Midira ao anatinao
1C_36: R’ilay Bitikako, midira ao anatinao ; ao no misy Ahy. Omeo Ahy ireo adin-tsainao sy ny ahiahinao. Rehefa omenao adin-tsaina Aho, dia lasa Ahy izy ary araraotiko izany hanafahako anao amin’ireo fatoranao hafa. Vokatr’izany dia iaina fahafahana anaty ianao. Io fahafahana anaty io no afahanao mifandray Amiko, dia afahanao mahita ny halehiben’ny Fitiavako anao ary afahanao ho tonga Fitiavana.
Maimaimpoana ny Fitiavanay
3B_24: Ry ilay bitikako, tsy misy fahasambarana lehibe ho Ahy noho ny fahafahako mandrotsaka ny Fitiavako ao anatin’ny fon’ireo izay manaiky sy maniry handray azy. Ny tena mampaory Ahy sy ny Raiko indrindra dia ny mahita an’ireo olona maro mandà ny Fitiavanay satria mihevitra izy ireo fa tsy mendrika izany noho ny tsy fahafantarany fa maimaimpoana ny Fitiavanay ary ny fainekeny Azy aingana no hanova azy.
Tonga ny fotoana ialanao ireo mamatotra anao
2B_11: Ry zanako malalako, ho fanampiana anao mba hatakaranao izay iainanao amin’izao fotoana izao, dia tsarovy ilay zanaka voromahery mianjera avy eny ambony ivelan’ny tranony rehefa natsipin’ny reniny. Ho azy, dia tena loza be izany, kanefa izany no fomba tokana mahomby afahany mianatra manidina amin’ny herin’ny tenany. Torak’izany koa ho anao, amin’izao fotoana izao, satria tonga ny fotoana ialanao ireo mamatotra anao avy amin’ny lasanao (na dia nahitanao tombotsoa sy fitokisana aza taloha) tahaka ilay tranom- boromahery.
Aza manandrana milanja
1E_38: Anaka, aza manandrana milanja samirery eo amin’ireo sorokao izay tokony ho zakaintsika miaraka. Na hitady vahaolana samirery amin’izay tokony ho vahantsika miaraka ; na indrindra hanao samirery izay tokony hataontsika miaraka. Miantsoa mandrakariva Ahy. Tena akaikinao sy ao anatinao mandrakariva Aho.
Amin’ny fotoana rehetra na andro
1C_11: Anaka, miaraka aminao mandrakariva Aho. Afaka mifandray Amiko ianao amin’ny fotoana rehetra na andro, na alina ary amin’ny toe-javatra rehetra mba hanovo ao amin’izany ny Fiadanana, ny Fifaliana ary ny Fitiavako.
Matetika avy amin’ny alalan’ny fahalemenao
3B_16: Anaka, matetika avy amin’ny alalan’ny fahalemenao, ny fahosanao ary ireo izay heverinao hoe hadisoanao no hafahako mikasika sy mihaona ny olona hafa. Isaky ny miaiky ianao fa kely dia vao mainka hitoetra ao aminao ny Fitiavan’ny Ray. Ary raha mitoetra ao aminao ny Fitiavana dia ho mora koa ny hipariahany hihaona amin’ny fon’ny hafa amin’ny alalanao. Koa ny fisinao dia ho lasa fahazavana ho an’ireo fo izay mitady an’Andriamanitra.
Ny Fitiavako dia mitobaka ho anao
1C_40: Anaka, avia mifitsaka eto an-tratrako mba hahita Fiadanana sy Fifaliana, Fitoniana sy Fahasambarana. Rehefa lavitra Ahy ny eritreritrao, dia manomboka misy adin-tsaina ianao ary indraindray tahotra. Kanefa, ny Fitiavako dia mitobaka ho anao, ary tiako ho sambatra tanteraka ianao. Tsy ho tonga aminao izany raha tsy eo anatrehahako ianao, raha tsy mitodika aty Amiko ny fijerinao, ary ho tonga mihaona Amiko ao anatinao.
Amin’io fotoana io
1B_08: Anaka, mba tiako ny mahita anao toy ny zazakely sy mihaino Ahy. Amin’io fotoana io no ahafahako mandrakotra anao ireo Fahasoavako sy ny Tso-dranoko. Io ilay fotoana tsara ho anao mba ho hatanteraka ny fanovana ny fonao, fotoana hatonga anao ho Fitiavana, fotoana iveloman’i Kristy ao aminao ary mahatonga anao ho andry iankinan’ny Egliziko.
Anaka, mandrosoa
1E_19: Anaka, mandrosoa, ary isaky ny handroso ianao dia hidaraboka tsirairay avokoa ireo sakana rehetra. Aza mihorohoro. Mianàra mametraka ny fitokisanao Amiko, miaraka aminao foana Aho… Iriko ho Ahy tanteraka ianao, tohizo ny mihaino mandrakariva Ahy. Tantanako ianao ary tena tiako.
- Go to the previous page
- 1
- …
- 25
- 26
- 27
- 28
- 29
- 30
- 31
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany