3B_31: Ry bitikako, ianao izay miaina fahoriana, manasa anao Aho handray aingana azy ireo dia hatolory Ahy avokoa hahitanao fa maivana ny entako.Izany no làlana manova, izay mitondra mankany amin’ilay Tontolo Vaovao anatin’ny fahafenona. Ny fanaikenao ny Fitiavako no afahana mandresy ny ratsy sy ny fijaliana. Mirehi-ptiavana ho anao sy ireo mijaly rehetra Aho.
Ny hevitry ny andro
Menu
Lire Plus
Menu
Dia avereno amiko foana ireo « ENY-NAO »
1A_36: Anaka, ataovy ao an-tsainao mandrakariva ny Fitiavako anao ; izany dia manampy ny fanamafisana ny tadim-pifandraisana izay mampiray antsika. Na ao anatin’ny fifaliana na ao anatin’ny alahelo ianao dia avereno amiko foana ireo « ENY-NAO ». Amin’ny alalan’ireny « Eny » ireny no afahako mampitoetra anao ao anatin’ny fifaliana sy ao anatin’ny fiadanana, na inona na inona mitranga manodidina anao.
Eritreritra manimba
2B_07: Anaka, na dia mahatandrina tsy miteny teny manafintohina na mandratra amin’ny hafa aza ianao, kanefa ireo eritreritrao dia mitsikera, ratsy na feno fitsaràna an’ilay olona dia manakana ny Fitiavana tsy hikoriana malalaka ao anatinao sy amin’ny alalanao. Ireo eritreritra manimba dia tokony atolotra ny Famindram-pon’ny Ray, amin’ny fangatahana Aminy mba hanovany ny fonao ho tonga ho afaka hanaiky ny hafa amin’ny maha izy azy, mba hamelàna ny Fitiavana hikoriana malalaka ao aminareo samy ianareo.
Ianareo miantsapy ety an-tsandriko
2B_34: Ry Zanaka malalan’ny Fokon-dRay sy Reny, Efa akaiky ny fotoana. Mihazakazaha ianareo miantsapy ety an-tsandriko ! Raha mba fantrareo fa tena misokatra be ireo sandriko ! Tsy mijery na dia iray akory aza Aho amin’ireo tsy fahamendrehanao sy ireo hadisoanao. Miaike fa mpanota ianareo, omeo Ahy ireo « eninareo », raiso ny Fitiavako.
Fonao amin’ny Foko
2A_03: Ry Bitikako, avia manakaiky kokoa Ahy. Mirehi-pitiavana anao ny Foko. Rehefa hafanain’ny Foko ny fonao dia voadio. Ireo fotoana maharitra iarahanao amiko no mampiray ny fonao amin’ny Foko ary amin’ny farany dia ny tenanao manontolo no miray Amiko.
Mangalà fotoana miaraka Amiko
1A_33: Anaka, mangalaha fotoana betsaka mandrafitra tsara ny fatorana mampifandray antsika ; io fatorana io no sampany mitondra ilay voninkazo izay afahany manohitra ny rivotra sy ny rivo-mahery arahana oram-be. Anaka, mangalà fotoana miaraka Amiko, avelao hofenoiko ianao. Hihamafy noho izany ilay sampanao. Tiako ianao.
Tiako ny mandrakotra anao amin’ny Kapaotiko
1F_39: Anaka, tiako ny mandrakotra anao amin’ny Kapaotiko sy ny an’ny Maria Reniko Masina, mba tsy hakasika anao ny fahavalo. Tsy misy hatahoranao na kely aza, efa manomboka ny fanadiovana anao ao anatin’ny tambitamby sy Fitiavana.
Satria nahita sitraka teo imasoko ianao ary
3A_22: Ry Bitikako, aza matahotra, satria nahita sitraka teo imasoko ianao ary enoko mandrakariva sy valiako mandrakariva amin’ny fotoanany ireo vavakao.
Mangataka aminao
3A_38: Anaka, mangataka aminao Aho mba tena iaina feno ny fotoana ankehitriny ary handray ny Fitiavana izay arotsako ao aminao. Ny fahasambaranao dia tsy miankina amin’ny maha ianao anao taloha. Fa amin’ny maha ianao anao ankehitriny ary amin’ny maha ianao anao rahampitso. Arakaraka ny hamelanao ny Fitiavana hamolavola anao ihany no mamaritra ny maha ianao anao amin’ny ho avy. Diso ny eritreritrao izay mihevitra fa ny fahasambarana dia miankina amin’ny fihetsiky ny hafa. Ho sambatra ianao raha manaiky ny Fitiavako hiasa ao aminao ary avy eo, amin’ny manodidina anao ary amin’ny alalanao.
Rehefa eo akaiky ny Foko ny fonao
1A_11: Anaka, avia eto anilako. Rehefa eo akaiky ny Foko ny fonao dia voadoron’ny afon’ny Fitiavako. Tahaka ny volamena izay mila diovina amin’ny afo dia torak’izany koa ny fonao, mila diovina amin’ny afon’ny Fitiavako. Tiako ny mahita anao manaiky Ahy.
- Go to the previous page
- 1
- …
- 24
- 25
- 26
- 27
- 28
- 29
- 30
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany