1D_13: Anaka, tena faly tokoa Aho rehefa atolotrao Ahy ireo zavatra mampijaly sy ireo zavatra mampatahotra anao. Avy hatrany foana, dia entina eo amin’ny Ray ireo, Izy, izay tonga miaraka amin’ny Rantsa-tànany Mpahary, manapaka ireo fatotra ary mamita ao aminao ny fahariany, amin’ny fanomezany anao ny hatsaranao tany ampiandohana.
Ny hevitry ny andro
Menu
Lire Plus
Menu
Tena mitondra hafaliana lehibe
3B_39: Ry tantely kely ao anaty ny tranon-tantely ato Amiko, tena mitondra hafaliana lehibe ho Ahy ny fandavan-tenanao, fa indrindra ny fanirianao tanteraka hanantateraka ny sitrapoko. Avia miala sasatra eto amin’ny foko. Mandritran’izany fialantsasatra izany no hanomezako anao ny fahazavana rehetra izay hanilo ny sainao, ny teninao ary ny fihetsikao, mba hifanaraka tsara amin’ny sitrapon’ny Ray.
Eo am-pelatànan’Andriamanitra avokoa
1D_38: Anaka, eo am-pelatànan’Andriamanitra avokoa ny zavatra rehetra, tsy tokony hisy hatahoranao. Tsy tokony hanana adin-tsaina na fiahiahiana ianao na iray aza, satria fantatrao fa ny Rainao izay tia anao tanteraka no mikarakara ny zavatra rehetra hatramin’ny madinika indrindra… Rehefa manolo-tena bebekokoa ianao, dia afaka miasa bebe kokoa mba hanafaka sy hameno anao ny Ray.
Tsotra ny anirahako anao
1F_22: Anaka, tsotra ny anirahako anao : dia ny handraisanao ny Fitiavako sy ny hamelanao hamboariny ; ary ny hatonga anao ho fantsona izay hivezivezen’ny Fitiavako malalaka sy be dia be, mba hafahany mikasika olona maro izay nankinina taminao ao anatin’ny tontolo tsy hita maso, fa koa ao anatin’ny hita maso.
Ary ianao dia mpianatro
1D_34: Anaka, na dia tsy fantatrao aza ho aiza no hitondrako anao dia aza mijanona fa mandrosoa foana. Tomponao Aho, ary ianao dia mpianatro, ianao no ampianariko, ampahafantariko, tefeko ary indrindra tiako be. Ny fandraisanao ny Fitiavako ihany no afahanao mandray betsaka koa avy aty Amiko.
Ny fisian’ny fahasarotànana ety an-tany
2A_21: Anaka, ny fisian’ny fahasarotànana ety an-tany dia tsy midika hoe nafoin’Andriamanitra ianao. Tsia, jereo ireo fahasarotànana izay niainanay, Maria sy Izaho, ka nefa i Jesoa dia niaraka mandrakariva taminay. Jereo ireo fahasarotànana izay niainan’i Jesoa. Jereo ireo an’ireo Olomasina. Niaina an’izany avokoa izy rehetra tsy ankanavaka. Dia manino no ho hafa amin’izany ny anao ? Masindahy Josefa.
Amin’ny tena habean’ny Fitiavana
2A_32: Anaka, manontany tena ianao hoe ahoana no fomba iainana mandrakariva sy na aiza na aiza, amin’ny tena habean’ny Fitiavana. Tsy mety ho vita izany, raha tsy efa tonga Fitiavana ianao. Tsy misy afa tsy fomba tokana ihany no hatongavana amin’izany : ny fanaikenao hamboarina amin’ny alalan’ny Loharano, ao anatin’ny fifandraisana ampitiavana lalina amin’ny Trinite Masina, miombona amin’ireo Olomasina, eo ambany fiarovan’ireo Anjely Masina.
Dia mila, maika, olona
1B_35: R’ilay Bitikako, amin’izao fotoana farany izao, dia mila, maika, olona maro Aho manaiky handà ny tenany, ny faniriany, ny fahafinaretany, mba hampiombona ny vavak’izy ireo amin’ny vavako, sy ny vavaky ny Reniko tena Masina, ireo Olo-masina rehetra, sy ny Anjely Masina rehetra, ho an’ny ady lehibe izay atrehina ankehitriny.
Ny fahoriako lehibe indrindra
1A_40: Anaka, ny fahoriako lehibe indrindra dia ny mahita fa vitsy loatra ireo izay manaiky ho tiaviko, ary vaomainka vitsy ireo izay manaiky fehezin’ny Fitiavako. Izaho no loharanon’ny Fiadanana, Fifaliana, sy ny Fitiavana ! Ny zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao, dia ny hanaikenao ho tiavina, ny hamelanao ny hovàna amin’ny alalan’ny Fitiavan’ny Foko.
Tena sarobidy amiko izay
3B_11: Ry bitikako, tena sarobidy amiko izay Andriamanitrao ianao ary mila anao aho. Avia miantsapaza aty anatin’ny Foko. Ankiniko amin’ilay Reniko Masina ianao mba hanasitrana ny ratranao rehetra ary hitondra anao ho any anatin’ny Fon’ny Ray. Tiako ianao.
- Go to the previous page
- 1
- …
- 22
- 23
- 24
- 25
- 26
- 27
- 28
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany