3A_01: Ry Bitikako, ny fijaliana rehetra izay atambatra amin’ireo Fijaliako dia manandanja be mandrakariva. Mandray anjara amin’ny fanadiovana ny tany, izay efa nanomboka, izany fijaliana izany. Mba hamokatra vokatra maro, dia tokony ho ekena izy ireny, iainana ary atambatra amin’ireo Fijaliako.
Ny hevitry ny andro
Menu
Lire Plus
Menu
Aza matahotra na kely aza handray ny « Fitiavana »
1F_35: Anaka, aza matahotra na kely aza handray ny « Fitiavana », na ilay omena anao mivantana na ilay avy amin’ireo olon-kafa. Rehefa miha mandray ianao, dia ho afaka mandray foana koa… Rehefa manome foana ireo «ENY-NAO » amin’ny Fitiavana ianao, dia aingankaingana koa ny hatongavanao “Fitiavana“.
Dia anontanio Aho
1B_40: Anaka, alohan’ny hangalanao fanapahan-kevitra, dia anontanio Aho. Angataho Aho hanome tolo-tsaina anao dia hataoko izany. Dia avy eo tanteraho araka izay voarainao ao anatin’ny fonao. Manàna fitokisana Amiko ! Ekeo ireo sakana na ireo fahasaròtana, amin’ny fahafantarana fa eo Aho hanampy anao hamaha an’izy ireo. Ataovy izay ataonao ao anatin’ny fahatokisana tanteraka fa miaraka aminao mandrakariva Aho.
Ny fanovana eo amin’ny maha
1F_28: Anaka, raha mba fantatrao fa tena tiako ianao, miaraka amin’ireo haratsianao, ireo fahalemenao sy ireo fetranao, dia ho ekenao ireo, ho tahaka izay ilain’ny Ray aminao amin’izao fotoana izao… Ny fanovana eo amin’ny maha olona anao dia Asan’Andriamanitra fa tsy asanao. Fantany izay tokony iainanao amin’izao fotoana izao. Tiako ianao.
Ny planin’ny Ray
1D_33: Anaka, ny planin’ny Ray, dia ny ahatonga anao « Fitiavana », ny hanomezanao ny « Eny » feno, tsy misy fe-petra, ny hanaikenao hovana, ny handehananao mamita iraka eo amin’ny tontolo tsy hita maso amin’ny alalan’ny vavaka, ny fitsaohana ny Eokaristia Masina, ny fandraisana ireo Sakramenta ary ny fifadihan-kanina.
Anaka, tongava ho Fitiavana
1D_18: Anaka, tongava ho Fitiavana ! Tsy misy olona eto ambonin’ny tany afaka hanakana anao ho tonga amin’izay antony nahariana anao, raha tsy hoe omenao olon-kafa izany fahefana izany amin’ny fihainoanao azy, toy izay hitoetra hiaino Ahy. Tiako ianao.
Tiako ny hasambatra anao
1A_25: Anaka, tiako ny hasambatra anao, ny iainanao tsara ao anatinao, kanefa mialohan’izany dia tokony ekenao ny ho tiavina. Te hamihina anao eo an-tsandriko Aho, te hanasitrana ny ferinao Aho, te hisafosafo anao Aho, te hanadio anao Aho raha ilaina. Tiako hatsapa ny Fitiavako ianao.
Ihany no fitaovana voalohany eo am-pelatànanao
2A_33: Ry Bitikako, ny hatongavana ho « Fitiavana » : dia ny vavaka, ny fanatonana ireo Sakramenta, ny fifadian-kanina sy ny fitsahoana ny Eokaristia Masina ihany no fitaovana voalohany eo am-pelatànanao. Mba hahazoana tombo-tsoa feno amin’ireny, dia tokony ho feno ny « ENY-NAO », ary tokony tsy misy fisalasalana ny firotsahanao.
Manomana ny fonao
1F_13: Anaka, reko ny vavakao ary manomana ny fonao Aho amin’izay ho fiainanao amin’ny andro ho avy. Nofinidiko ianao. Tiako ny fanaikenao sy ny fanirianao tsy hanao afa tsy ny Sitrapoko. Tiako be ianao.
Derao ny Ray
3A_02: Anaka, derao ny Ray amin’izay ataony ao anatinao, eo amin’ny manodidina anao ary amin’ny alalanao. Diloilo manasitrana ny Foko maratra ianao. Mirehi-pitiavana aminao ilay perla kely tsy manan-tsahala sy sarobidy ny Foko. Tiako loatra ianao.
- Go to the previous page
- 1
- …
- 20
- 21
- 22
- 23
- 24
- 25
- 26
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany