2A_39: Ry perla sarobidy izay entiko ao amin’ny Foko, tiako hambara aminao ny hafaliako mijery anao, mandinika anao, amin’ny andro sy ny alina. Diloilo mampitony ny Foko maratra ianao. Ankafiziko ireny fotoana hifandraisana am-pitiavana izay avelanao hisy miaraka aminao ireny.
Ny hevitry ny andro
Menu
Lire Plus
Menu
Atolory an’ny Ray
3B_10: Anaka, atolory an’ny Ray avokoa na ny mahafinaritra na ny mahasosotra, na ny tsara na ny ratsy. Tsy havesatra aminao intsony io lasanao io raha omenao ny Famindram-pon’ny Ray satria tsy hilanja izany intsony ianao. Apetraky ny Ray eo ambanin’ny tongotrao ny lasanao, tahaka ny vato, mba hisondrotanao mankany Aminy.
Dia noho izany ho tonga fitaovana eo ampelan-tànan’ny Ray
1C_37: Anaka, Tiako ho tonga Fitiavana ianao tahaka Ahy ! Izay no tena nanirahina anao, iraka izay nahariana anao ! Sambatra ianao raha tafiditra amin’io nanirahina anao marina io, no sady miaina eto ambony tany…dia noho izany ho tonga fitaovana eo ampelan-tànan’ny Ray ianao mba hiantso ny hafa izay miaina eto an-tany mba hiditra ihany koa amin’izay nanirahana azy.
Tsy mila mahatakatra ny hevitr’izany ianao
1F_10: Anaka, ekeo izao fiainanao izao tahaka ny tsara indrindra ho anao amin’izao fotoana izao. Tsy mila mahatakatra ny hevitr’izany ianao, ny ilaina dia ny hanoloranao ny « eny » tanteraka tsy misy fepetra, ary ny hanekenao fa tena tiako ianao.
Ny firotsahanao matotra
2B_22: Ry zanako malalako, raha omenao Ahy amim-pahatsorana sy amin-kalalahana ny « ENY-NAO », dia ho azonao eo no ho eo ihany ny fahasoavana ilaina mba hamakivaky ireo fahasahiranana izay tsy maintsy andalovanao. Ny firotsahanao matotra no afahanao manomboka manàndrana ny vokatry ny Fitiavana rehefa avela hiasa malalaka Izy.
Ny manaiky manaraka Ahy
3A_19: Ry Bitika malalako, ny manaiky manaraka Ahy, dia manaiky ny ho rantsànana mba ho havaozina araka ny Sitrapon’ny Raiko. Atolory Ahy ny enta-mavesatrao : ho hitanao fa maivana ny jiogako. Aza matahotra. Sambatra ianao nahita sitraka eo imasoko sy arahin’ny Fitiavako mandrakariva.
Voalohany eo amin’ny fiainanareo
2B_16: Ianareo Bitikako, tonga ny fotoana mba hikoriana malalaka ao anatin’ireo fo ety ambonin’ny tany, ny Fitiavan’ny Ray. Sambatra ianareo izay tena bitika handray Azy ary hanao Azy ho voalohany eo amin’ny fiainanareo. Ho fenoina bebe kokoa ianareo. Satria tia anareo ny Fitiavana, dia lasa « Fitiavana » ianareo. Tena tiako loatra ianareo.
Malemy sy osa ianao
3B_09: Ry bitikako, ireo tranga kely sasany eo amin’ny fiainana dia natao mba hampisehoana anao ny fahosanao. Rehefa lasa malemy sy osa ianao dia lasa tsy matahotra na inona na inona satria eo ambanin’ny fiarovan’ny Lamban’ny Reniko Masina, ary Izaho miaraka aminao foana. Miaraka mandroso mankany amin’ny hafenoin’ny Fitiavana isika roa.
Raiso ny Fitiavana izay
2B_08: Ry zanaky ny Foko, raiso ny Fitiavana izay tian’ny Ray, izay Rainao, Raiko, Raintsika harotsaka ao anatin’ny fonao dia ho feno tanteraka ianao. Misokatra ny lanitra amin’izao fotoana izao, ka ireo izay irian’ny fonao sy takiany dia ho azonao tanteraka.
Te hiresaka aminao amim-pahatsorana Aho
1C_03: Anaka, avia mifitsaka eto an-tsandriko. Manaike tiavina! Izany no tsara indrindra ho anao amin’izao fotoana izao. Te hiresaka aminao amim-pahatsorana Aho. Avia ! avia ! manaike tiavina ! avia ! Efa mandroso ny fotoana hamelako anao ho diovina amin’ny Afon’ny Fitiavako, fa raha tsy izany dia ho diovina amin’ny alalan’ireo fahoriana ianao.
- Go to the previous page
- 1
- …
- 19
- 20
- 21
- 22
- 23
- 24
- 25
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany