2B_04: Anaka, miaraka aminao, misaotra ny Ray Aho amin’ilay olona vaovao izay maka toerana bebe kokoa hatrany ao anatinao ary Miray Amiko. Velomin’ny Fitiavako tsy tapaka izy, amin’ny fandrenesany ny bitsika amin’ny sofiny ireto teny izay lazaiko miverimberina tsy mihato aminy ireto: Tiako ianao, Tiako ianao, Tiako ianao.
Ny hevitry ny andro
Menu
Lire Plus
Menu
Raisiko ny fijalianao
1F_09: Anaka, reko ny vavakao, ataoko vavako ny vavakao ary dia atolotro ny Ray. Raisiko ny fijalianao. Atambatro amin’ireo fijaliako mba ho fehezan-draozy atolotra ny Ray. Tsy misy tokony ho atahoranao, efa mitopy eo aminao ny Masony. Tiako ianao.
Mianàra manaiky ho tiaviko
1B_32: Anaka, mianàra matoky Ahy, manaiky ho tiaviko. Izaho, Jesoa, dia tia anao amin’ny maha ianao anao io izao. Vitanao ve ny miteny toy izany koa amin’ny tenanao? Izao ny fanovàna tiako ho tanterahina ao aminao mba ho tsapanao fa tiako ianao, ary ho tia ny tenanao bebekokoa ianao amin’ny maha ianao anao io. Mitobaka Fitiavana ho anao ny Foko.
Mila mianatra miaina eo amin’ny fonao izany ianao
2A_14: Ry bitikako, nohariana tamin’ny Fitiavana ianao mba ho tonga IRAY aminy ; ny fifandraisana amin’izy roa dia ny fonao. Mila mianatra miaina eo amin’ny fonao izany ianao ; izany no ianaranao rehefa mitoetra samy irery miaraka Amiko ao anatinao lalina iny ianao.
Izay manapaka ireo fatorana
1C_19: R’ilay Bitikako, ny « Eny » voalohany izay tokony homenao, dia ny hanekenao fa tia anao Andriamanitra. Ny « Eny » faharoa dia ny hitiavanao ny tenanao tahaka izao naharian’Andriamanitra anao toy izao. Ary ny tohiny izany dia ireo « Eny » izay manapaka ireo fatorana nataon’ny fahavalo, mba hidirana bebekokoa ao anatin’ny Fon’Andriamanitra. Ny làlan’ny Fitiavana dia tsotra sady mora ho an’izay miroso feno sy tanteraka amin’izany.
Toe-javatra mahafaly na mampalahelo
1D_24: Anaka, avia mifitsaka eto an-tsandriko. Ekeo izay rehetra mitranga aminao. Na toe-javatra mahafaly na mampalahelo, atolory Ahy daholo ireny! Misy ilaivana azy daholo ireny, misy antony ny fisian’ireny, na ho anao na ho an’ireo olona izay mitoetra ao am-ponao.
Avia hihaona amiko ao anatinao
1C_07: Anaka, avia hihaona amiko ao anatinao. Amin’ireny fihaonana ireny, dia tonga manovo amin’ny Fitiavako ianao izay mitondra Fiadanana sy Fifaliana ho anao : izany no tena fiarovana marina. Ny Fiadanana izay irinao ao aminao, dia tsy ho hitanao raha tsy ao anatin’ny tenanao, fa tsy ho eo ivelan’ny tenanao mandrakizay : Izany no làlana malalaka hampidirako anao amin’izao fotoana izao, miaraka amin’ny fanaikenao.
Tsy misy fijaliana izay ka tsy ilainao
1F_19: Anaka, tsy misy fijaliana izay mihatra aminao ka tsy ilainao. Ny fijaliana na kely na lehibe, na maivana na mavesatra, na fohy na lava, dia tena manandanja lehibe ho anao. Ilain’ny olombelona koa ny fijaliana mba hivoarany, tahaka ny orana amin’ny voninkazo.
Rehefa manampy ny hafa ianao
3A_39: Anaka, rehefa manampy ny hafa ianao, na dia maimaimpoana aza dia ho afaka hahazo izay ilainao amin’ny fivelomanao. Isaky ny manampy olona ianao, dia Izaho izay Andriamanitrao no tompoinao. Hamaliako izany fihetsikao malala-tànana izany dia Izaho no hanome izay ilainao rehetra.
Maria, dia nomeko iraka mba hanaraka anao
2B_15: Anaka, ilay ankizivaviko, Maria, dia nomeko iraka mba hanaraka anao, hitantana ny dianao. Eo Izy, eo akaikinao ; ary eo amin’ilany, dia ny Zanako lahy tokana, Jesoa, tena akaiky anao. Raha mihiratra ny masonao ka mahita ireo Olo-masina sy ireo tafika lehiben’Anjely, dia ho fantatrao fa tsy irery ianao, fa tena voadidina tsara. Aza matahotra, mandrosoa mandrakariva ao anatin’ny Finoana madio. Omeko anao ny tso-dranon-dRay miaraka amin’ny Fitiavako.
- Go to the previous page
- 1
- …
- 18
- 19
- 20
- 21
- 22
- 23
- 24
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany