3A_03: Ry Bitikako, nomena fahefana ianao hatsapa ny fisiako ao aminao na dia eny ampanaovina ireo raharahanao aza ianao. Ataoko ho fonenako ianao ! Mirehi-pitiavana ho anao Aho ! Sokafy fotsiny ny tànanao handray Azy. Tena eo Aho, ao anatinao.
Ny hevitry ny andro
Menu
Lire Plus
Menu
Matokia Ahy
1A_28: Ry zanako, R’ilay Bitikako, raha mba fantatrao manko ny maha zava-dehibe an’ireo zavatra iainanao ankehitriny, tsy hangataka zavatra hafa amiko intsony ianao. Izaho izay mahalala ny zavatra rehetra, fantatro tsara ireo izay ilainao rehetra anio. Matokia Ahy, tiako ianao.
Dia raisiko ireo adin-tsainao
1D_01: Anaka, rehefa manao ny tenanao ho kely ianao, dia raisiko ireo adin-tsainao, ireo hafalianao sy ny alahelonao ka atolotro ny Ray, ary Izy, ao anatin’ny Famindram-pony lehibe sy ny Fitiavany, mametraka ny rantsa-tànany, Izy Mpahary mba hanapaka ireo fatotra manakana anao tsy ho olona afaka.
Miha-mahery koa ny jironao
1B_26: R’ilay Bitikako, rehefa miha-tonga Fitiavana ianao, dia miha-mahery koa ny jironao. Ary mba ho tanteraka izany, dia tokony ho olon’ny Fitiavana ianao. Mba ho tonga io olon’ny Fitiavana io, dia tokony hanaiky ho Tiaviko, Izaho izay Tomponao sy Andriamanitrao, ianao. Amin’izay, dia lasa IRAY ao anatin’ny Fitiavana isika.
Hitolagaga, hotalanjona
1D_19: Anaka, aoka tsy hatahotra ianao : izay mikasika anao rehetra, eo amin’ny maha olona anao, eo amin’ireo olona manodidina anao, eo amin’ireo fanananao sy ny asanao, dia eo am-pelantanan’ny Ray. Amin’ny fotoana ilana azy, dia voamboatra ho azy ireny. Aoka hifantoka ianao, jereo Izy manantanteraka tsara ny asany, hitolagaga, hotalanjona… ianao.
Manome tolo-tsaina anao
1B_19: R’ilay Bitikako, mitantana ny dianao tsirairay Ah. Manome tolo-tsaina anao Aho. Miaro anao Aho. Mivavaka tsy tapaka ho anao ny Reniko Masina. Aoka tsy hatahotra ianao, ataovy izay mahabitika anao. Amin’io fotoana io no hatsapanao ny Fiadanana sy ny Fifaliana irinao.
Ihany no fitaovana voalohany eo am-pelatànanao
2A_33: Ry Bitikako, ny hatongavana ho « Fitiavana » : dia ny vavaka, ny fanatonana ireo Sakramenta, ny fifadian-kanina sy ny fitsahoana ny Eokaristia Masina ihany no fitaovana voalohany eo am-pelatànanao. Mba hahazoana tombo-tsoa feno amin’ireny, dia tokony ho feno ny « ENY-NAO », ary tokony tsy misy fisalasalana ny firotsahanao.
Omeo Ahy ny fahakelezan’ny finoanao
1F_17: Anaka, omeo Ahy ny fahakelezan’ny finoanao, ho soloiko ho tahaka ny finoan’ny apôsitôly sy ny mpaminany. Ny FINOANA sy ny FITIAVANA dia tsy afa-misaraka. Rehefa lasa olon’ny FINOANA, dia lasa tonga olon’ny FITIAVANA. Rehefa lasa olon’ny FITIAVANA, dia lasa tonga olon’ny FINOANA.
Mandray ny Famindram-poko
1E_25: Anaka, fantatrao fa ny lalan’ny fahakelezana mandrakariva no lalako ; anjaranao ankehitriny no manararaotra ireo fahalemenao mba afahanao manatona Ahy sy mandray ny Famindram-poko sy ny Fitiavako. Andriamanitra feno Famindrampo sy Fitiavana Aho. Mba tena tiako ianao.
Ialao araka izay vitanao ireo fifandirana
2B_17: Anaka, apetraho ao anatin’ny Foko ireo tranga rehetra izay hiainanao, ary izay hatsapanao fa hanararàotana anao ; ialao araka izay vitanao ireo fifandirana. Banjino ny fitondrantenako manoloana an’ireo izay nifanatrika Tamiko. Hanovozanao hery vaovao izany, izay afahanao miaina sahady ny fitondratena ao amin’ilay Fiaraha-monina Vaovao, izay tena samy hafa amin’ny fitondrantena eo amin’ny fiaraha-monina amin’izao fotoana.
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany