1F_15: Anaka, aoka ianao hisaotra sy hidera amin’izay ho ataoko, na dia amin’ny alalan’ny toe-javatra mampalahelo aza. Tadidio izay nataoko ho an’ilay sakaizako Lazara, tamin’ny nananganako azy tamin’ny maty na dia efa simba aza ny vatany.
Ny hevitry ny andro
Menu
Lire Plus
Menu
Te hampianatra
1D_02: Anaka, te hampianatra anao hanana fijery hafa amin’ireo olana sy famahana azy ny Ray, dia ny fijerevana ny zavatra rehetra aimin’ny mason’ny finoana, ny hamelàna ny zavatra rehetra eo ampelantanan’Andriamanitra… ary ianao, izay hitolagaga, hidera ary hiravoravo, ho lasa vavolombelon’ny Asako. Manaraka an’izay dia ho afaka hampianatra izay niainanao ianao.
Ilaina mandrakariva ny « ENY-NAO »
1E_40: Anaka, ilaina mandrakariva ny « ENY-NAO » mba handrosoana lavidavitra, satria ny Ray dia manaja mandrakariva ilay fahafahana lehibe izay nomeny ho an’ireo zanany tsirairay. Na dia ny « tsia » aza no azony manoloana ny « Eny » izay takiany dia tsy ho tsoahany mandrakizay ny Fitiavany. Tiako ianao.
Tao anatin’ny rivo-mahery
1D_21: Anaka, tao anatin’ny rivo-mahery, rehefa noheverina fa natory Aho tao an-tsambokely, dia sarotra ho an’ireo Apôsitôliko ny nametraka ny fitokisany tamiko ; toy izany koa ny anao amin’izao fiainanao ankehitriny izao. Raiso ny Fitiavako, matokisa Ahy, ho vavolombelon’ny Heriko ianao. Rakofako ny Fitiavako ianao.
Zavatra rehetra dia fahasoavana
1E_12: Anaka, aoka tsy hisy fahatahorana ao aminao. Nahita sitraka eo imasoko ianao. Amin’ireny fotoana izay tsy havitanao mifehy ny eritreritrao izay somebisebin’ireo zavatra ety ivelany, dia voatsapanao ny maha tsy ampy hery anao, sy ny maha voafetra anao. Raha tsy Izaho, dia tsy afaka manao na inona na inona ianao, na ny vavaka aza; satria ny zavatra rehetra dia fahasoavana.
Ankìniko amin’ny Reniko Masina
1A_09: Anaka, ankìniko amin’ny Reniko Masina ianao mba hanoizany mampianatra anao izay tokony ho fantatrao. Tiany be ianao ary arovany ianao. Aza matahotra ny manohy mandroso ao anatin’ny finoana. Hahita zavatra maro ianao.
Ianao izay novolavolaiko tamim-pitiavana tokoa
3B_35: Anaka, ianao izay novolavolaiko tamim-pitiavana tokoa, ianao izay nomeko olona maro izay nofidiko tsara hanodidina anao mba hafahanao mandray fitiavana betsaka : voalohany amin’izy ireny ny Ray aman-dReninao, ny anabavinao, ny anadahinao ary maro hafa koa… aza manana ahiahy na kely fotsiny aza amin’ny Fitiavako, Izaho Andriamanitrao.
Rehefa lasa Fitiavana ianao
1B_25: Anaka, manontany tena matetika ianao ny amin’ny tokony ezaka ataonao mba hampifaly Ahy hatrany. Tsy ny manao fa ny miaina no zava-dehibe. Ny ilaiko, dia ireo olona miova ho Fitiavana. Rehefa lasa Fitiavana ianao, dia ho tonga vavolombelona marina, andry iankinan’ny Egliziko Vaovao.
Sokafako avokoa ny varavarana
3A_32: Anaka, tohizo hatrany ny fandrosoana ao amin’ny finoana madio. Vavolombelona ianao fa tantanako sy tsiloviko tokoa ianao. Aoka tsy hiahiahy ianao, sokafako avokoa ny varavarana rehetra izay tokony hisokatra ary hakatoko ireo varavarana rehetra izay tokony hikatona. Mbola averiko ihany, ho vavolombelon’ny asako ianao. Tiako ianao.
Omeo Ahy ny sitraponao
1A_31: Anaka, banjino izay tsy maintsy niainako raha teny amin’ny làlan’ny kalvery Aho ! Ny zava-dehibe dia ny nifikirako mandrakariva tamin’ny Raiko mba hanatontosako tsara ny asa nankininy Tamiko araka izay tiany sy ny hifikirako amin’ny sitrapony fa tsy ny sitrapoko. Omeo Ahy ny sitraponao dia manàna fitokisana Ahy.
- Go to the previous page
- 1
- …
- 16
- 17
- 18
- 19
- 20
- 21
- 22
- …
- 40
- Go to the next page
Misoratra anarana ao amin’ny fampahalalam-baovao hahazoana vaovao farany